airtel

Sosialy

12-mars-2024

Fanadiovana sy fanasaziana henjana eto Iarivo

Haharitra sa hamonjena propagandy sy fifidianana ?

Sample post image

Mandeha ny fanehoan’ny Kaominina Antananarivo,

12-mars-2024

fa tena mihetsika sy miasa mba hanadiovana ny tanàna, ary hanamafy ireo fepetra samihafa hitandroana izany. Ankoatra ny fandraofana ny fako izay nisian’ilay fe-potoana 7 ka hatramin’ny 10 andro nomen’ny Filoham-pirenena, dia nisy ihany koa ny fanadiovana nataon’ny Vondron'ny Mpamonjy voina eo anivon’ny Kaominina sy ny eo anivon'ny "Direction de l'urbanisme" niaraka tamin'ny eo anivon'ny Vondron'ny Polisy monisipaly sy ny "Commissariat central" izay nanampy tamin'ny fandaminana ny teny amin'ny manodidina. Nifoha sy nampahatsiahivina ny fehezam-pitsipika momba ny fahadiovana sy fahasalamana na CMH (Code Municipale d’Hygiène) izay manipika sy mamaritra sokajin-tsazy mifandraika amin'ny fandotoana tanàna iniana atao. Raha ny eny amin'ny araben'ny fahaleovan-tena sy ny manodidina manokana dia tafiditra ao amin'ny sokajy faharoa, ka nohamafisina fa dia lamandy 50 000Ar miampy famerenana amin’ny laoniny fahadiovana ho an’izay tratra tratra mivalan-drano sy manary fako eny an-toerana. 300 000Ar miampy famerenana amin’ny laoniny ny fahadiovana ihany koa ho an’ireo fiara na mpivarotra izay tsy manaja ny fahadiovana. Voalaza fa efa misandrahaka eny rehetra eny ny polisy monisipaly mampianatra sy manoro fa raha misy kosa mbola minia mandoto dia hampiharina ny sazy araka ny toromarika. Nambara fa hitohy hatrany izao asa fanadiovana izao mba ahafahana manao an'Antananarivo ho tanàna madio hatrany. Zava-dehibe aloha ny fandraisana andraikitra satria tena mila fampanarahana fitsipika ny vahoakan’Antananarivo eo anatrehan’ny gaboraraka samihafa izay manimba ny tanàna. Mitaky asa avy amin’ny manam-pahefana sy ny mpitantana na «mesure d’accompagnement » ihany koa anefa izany, toy ny fahampian’ny fotodrafitrasa toy ny toeram-pivoahana, ny kalitaon’ny làlana sy ny tondro samihafa, toeram-pivarotana, toeram-piantsonana ho an’ny fiara,… Misy ny fahadisoam-bahoaka, fa fositra ihany koa ny tsy fahaiza-mitantana. Io iaraha-mahalala io rahateo ny fako sy loto etsy sy eroa, ka mahatonga ny renivohitr’i Madagasikara ho voretra indrindra aty Afrika, ary fahatelo maneran-tany. Tena tsy araka ny fampanantenana hatrany am-boalohany toy ny famitaham-bahoaka tamin’ny hoe : aleo mifidy ben’ny tanàna mitovy loko amin’ny fitondrana. Ny somary mahagaga mantsy dia ny filazana fa tetikasan’ny Filoham-pirenena na « projet présidentiel » ny fampitaovana avy amin’ny Japoney sy fanadiovana ny tanànan’Antananarivo. Zava-dehibe ny finiavana saingy nahoana no tsy natao hatramin’izay ? Satria akaiky ny fifidianana dia manao be fihetsiketsehana indray mba hakana ny fon’Antananarivo ? Sanatria ho vonjy tavanandro hanenjehana fifidianana fotsiny ve ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap