Tetikasa nanomboka tamin’ny taona 2006 izy io raha tsiahivina, manana tanjona hanampy ny faritra sy ny toerana hiasany amin’ny ady hatao amin’ny fiparitahan’ny rano maloto sy ny fako no sady hanova ny toe-tsain’ny mpiara-belona ihany koa mba ho tia sy hanaja ny fahadiovana. Tao amin’ny hotel Colbert Antaninarenina no namaranana azy omaly ka fantatra tamin’izany fa toerana maro no efa nahavitan’ny tetikasa ilay schema directeur. Anisan’ny tanana natao filamatra manokana tao anatin’izany ny tananan’Antsirabe izay anisan’ny tanana be mponina indrindra. Raha araka ny fanazavan’Atoa Thierry Randriatoavina, tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny rano dia ezahina haparitaka manerana ny faritra maro ny tetikasa. Narahina fanaovana tomban’ezaka tamin’ny asa vita moa ny fihaonana omaly hahafahana manatsara kokoa hatrany ny ho avy.
Pati
Legende : Thierry Randriatoavina, tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny rano !
Tafakatra 10 isam-bolana raha kely ny fitarainana voarain’ny sefom-pokontany ao amin’ny faritra iray momba ny tsy fahaloavana hofan-trano eto an-drenivohitra.
Mampanahy tanteraka ny hoavin’ny taranaka Malagasy rehefa mijery ny fivoaran’ny fiainam-pirenena ankehitriny. Handova dezaka eto isika moa,