airtel

Sosialy

05-oct-2021

Sosialy

Fanafarana PPN amin’ny sambo miisa 20 Ahiana ho famotsiam-bola, hoy ny Teza

Sample post image

Tsy mpandraharaha akory ny fanjakana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Teza. Ny mpandraharaha no manao izany hoe fanafarana PPN amin’ny sambo miisa 20 izany, hoy ny filohan’izy ireo, ny Dr Jean Louis Rakotoamboa.

05-oct-2021

 Manahy izahay Teza, hoy izy, fa mety ho endrika hamotsiana ireo vola maloto niainga teto amintsika ireny zavatra ireny mba hahafahana mampiditra azy any amin’ny fahafaha-mitahiry anaty banky na “circuit bancaire” araka ny tokony ho izy. Tamin’ireny tetezamita ireny nisy 500 tapitrisa dolara tany ny vidina andramena. Mipetrapetraka any Dobay, Maorisy any ireny vola ireny dia itadiavana fomba hanadiovana azy. Manahy izahay, enga anie mba ho diso ny heritreritray, fa endrika iray hahafahana manadio vola ka mpandraharaha iray tsikombakomba amin’ny fanjakana no manao izany zavatra izany dia ampidirina eto dia entina hidedahana eto ny hoe PPN madio sy sahala amin’izay. Ny fanjakana tsy manam-bola. Tsy misy fidiram-bola mankaiza firy eo. Aza adino fa ny resaka ladoany no fidiram-bolan’ny fanjakana. Be dia be ireo orinasa sasantsasany tsy mandoa izany. Ny TVA, ny hetra amin’ireo orinasa isan-karazany rehetra ireo dia mampijafajafa ireo orinasa amin’izao fotoana izao daholo. Sahirana be noho ireny fihibohana samihafa ireny. ny 85%n’ny tantsaha Malagasy tsy mandoa hetra ny ankamaroany. Kely ny miditra ao amin’ny fanjakana. Betsaka nefa ny zavatra tiana atao. Ny zavatra ampiasaina ireo vola kely ireo aza any amin’ny zavatra tsy maika. Any amin’ny kirendrarendra no andaniana azy dia mampikatso firenena amin’izao fotoana izao. Tsy vahaolana be mankaiza ny fampidirana PPN be ho eto Madagasikara ka mety ho ataon’ny olona tombatombana indray io. Ny fanjakana tsy sahy manara-maso araka ny tokony ho izy akory ireo vokatra nafarana ho eto ka giazan’ny olona dia avy eo amidiny lafo. Tsy misy manao izany hatramin’izao ny fitondran’I Andry Rajoelina satria ny karana sy ny frantsay nanohana azy tamin’ireny fifidianana ireny dia hananan’ireo trosa na “dette morale” izy dia tsy sahy manao trosa, hoy hatrany ny Teza.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap