airtel

Sosialy

11-juil-2022

Sosialy

Fanafarana solika mivantana Nitsefotra ny SPM, tsy misy vola ny Fanjakana…

Sample post image

Fotoana tokony hampiasan’ny Fanjakana ny orinasa SPM (State Procurment of Madagascar) izay natsangany ny novambra 2019 izao.

11-juil-2022

Taorian’ny fikorontanana momba ny famatsian-tsolika ny oktobra 2019, niafara tany amin’ny fanalana ny Minisitry ny angovo tamin’izany fotoana Atoa Vonjy Andriamanga io. Ny làlan-tsaina izay nananganana an’io dia ny hoe: hanafatra mivantana ireo entana ilaina andavanandro na ny PPN sy ny solika mba hisorohana ny fakana tombony mihoampampana. Ny vary izay tokony ezahina hovolena sy hovokarina eto no tena nahitana io fanarafana satria Atoa Andry Rajoelina Filoham-pirenena mihitsy no nilaza fa tsy afaka hiandry vary roa taona vao miakatra. Tsy fotoana tokony hanetsehana ny SPM ka hanafaran’ny Fanjakana solika mivantana ve izao manoloana ity resaka fidangan’ny vidin-tsolika ity? Raha jerena tamin’ny fanazavana novoizina tato ho ato mantsy dia nambara fa lafo hatrany am-potony ny solika, mbola miampy saram-pitaterana, saram-panatobiana, saram-pitsinjarana, haba sy tamberim-bidy,… Isan’ny mety ho olana ny fanatobiana ny solika saingy mila mitady vahaolana ny Fanjakana raha tena hitsinjo vahoaka tokoa. Inona anefa no tsy hanatanterahana izany? Hatao haingon-tsehatra fotsiny ve ilay SPM no tsy ampiasaina? Rehefa tena zohiana, tsy manam-bola ny Fanjakana, tsy hanana fahefana hanafatra solika mivantana. Ambony tsindry avy amin’ny mpandraharahan-tsolika satria ny trosa aza misavovona, antony tsy nampisitrahana ny vidinan-tsolika ho an’ny vahoaka tao anatin’ny 3 taona na nisy fidinany aza ny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny trosan’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny Jirama fotsiny no mahatratra hatrany amin’ny 1200 miliara Ar. Efa ho tapa-taona na mahery aza ny niresahana ny hoe: mifandinika ny Fanjakana sy ny mpandraharahan-tsolika momba ny trosa mifampiditra. Vao iray volana izay no nilazana fa tsy handoa ireo faktiora ny Fanjakana fa mbola hanao “audit”, dia mifanjevo eo, ary mitarazoka tahaka izany ihany koa ny fandaminana momba ny vidin-tsolika. Ny trosa miha mitombo ihany izay tsy maintsy any amin’ny vahoaka no hamenoana azy. Na ny fampidiran-tsolika any amin’ny seranan-tsambo aza efa tsy mandeha araka ny tokony ho izy intsony fa mandeha ny fampiasana fahefana. Voalaza mantsy fa tao anatin’ny herinandro 30 jona hatramin’ny 5 jolay teo, nahatratra dimy “réquisition” na fanagiazana nataon’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo momba ny famoaha solika tao amin’ny Seranantsambon’I Toamasina. Manaporofo ireny rehetra ireny, fa kofona tanteraka ny Fanjakana, ary tsy manana vahaolana mahomby sy maharitra hatramin’izao aloha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap