airtel

Sosialy

27-avril-2022

Sosialy

Fanalefahana ny vidin’entana “Maro ny tekinika azo ampiharina”

Sample post image

Raha ny karaman'ny malagasy rehetra no miaraka ampiakarina dia tsy misy olana mivaha eto, hoy ny sekretera jeneralin’ny holafitry ny mpanao gazety teo aloha, Miary Rasolofoarijaona.

27-avril-2022

Izao zavatra iainantsika izao ihany no zava-misy eo, hoy izy. Io ilay antsoina hoe “inflation”. Raha nahazo vola be isika dia jereo izay rafitra na “structure” sy “mécanisme” na fampandehanan-draharaha maika mba ahafahana mampiakatra ny famokarana na “Production” sy mampiakatra ny fahefa-mividy na “Pouvoir d'achat”. Ny fahefa-mividy tompoko tsy midika fampiakarana karama ihany fa mety fampidinana ireo zavatra stratejika ilain'ny olona ka lasa manidy be ny vola eo am-pelan-tanany. Ny angovo rehetra toy ny solika, Jirama, saribao, saran-dalana, fitsaboana sy ny hafa rehetra, ohatra. Raha ireo no ampiasana ny "fofom-bola be" dia mba mety hitondra soa ho an'ny fiarahamonina tokoa io trosa be io. Tadidio fa ny trosa tokony hampiasaina amina zavatra hampidi-bola na “investissement” mba ahafahana mamerina azy, hoy hatrany ny tenany. Miha zary lasa tarika na “generation” mpanjifa sy mpandray vonona fotsiny sisa ny taranantsika ankehitriny, hoy kosa ny mpanakanto sady mpahaifiarahamonina, Mahaleo Rasolofondraosolo na Dama. Aterina eto daholo ny zavatra rehetra hany ka tsy manana heritreritra loatra ny hamokatra intsony ny tanora, hoy izy, ary hanahirana io atsy ho atsy raha tsy ahitam-bahaolana dieny izao. Resaka fiakaran’ny vidin’entana na “inflation” sy ny fahasarotam-piainana miha lalina aterak’izany moa eto no resaka fa raha mijery ny tekinikan’ireo mpivarotra any amin’ny tany mandroso toy ny ao Eoropa kosa isika amin’izao fotoana izao dia tsikaritra ho tena be mpampihatra koa ny antsoina hoe “réduflation” na tsy fanetsehana ny vidin’entana saingy fanenana ny fatra na ny haben’ny entana amidy eny an-tsena kosa ary io fomba amam-panao io no tsikaritra fa voalaza ho antony ho toy ny tsy mampihetsika firy ny vidim-piainana any raha tsy efa am-polo taonany maro. Maro araka izany ireo tekinika azo ampiharina hanalefahana izay fiakaran’ny vidin’entana izay, raha ny fanadihadiana natao hatrany.
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap