airtel

Sosialy

14-janv-2025

FANAMPIANA ARA-BOLA ZARAIN’NY FID

Amin’ny 12 ora alina dia efa misy lahatra ireo zokiolona

Sample post image

Tena sahirana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Tsy nijanona teto an-drenivohitra ihany ilay fidodododoana

14-janv-2025

amin’ny 12 ora alina raha vantany vao mahare fanampiana na hamoizana ny aina aza fa manerana ny tanana mihitsy. Ho an’iny kaominina Fenoarivo distrikan’Atsimondrano iny ohatra dia nanomboka tamin’ny Sabotsy nifoha afak’omaly Alahady 12 Janoary ary mbola mitohy hatramin’ny anio Alarobia 14 Janoary ilay fanadihadiana hataon’ny FID fa hisy fanampiana ho azo hono. Eny anivon’ny Fokontany no hanaovana izany ka amin’ny 12 ora alina dia efa milahatra ireo zokiolona sy mitaizakely mba hahazoana ilay fanampiana. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia fanadihadiana fotsiny anefa aloha no hatao. Mandritra izany ireo tompon’andraikitra no mamakafaka raha tokony hahazo izany ilay tokantrano na tsia izay arahina fitsidihana mihitsy. Fanontaniana maromaro no hapetraka amin’ilay mpahazo tombontsoa toy ny hoe : tompon-trano sa mpanofa, manana fidiram-bola sa tsia, manana vata fahitalavitra sa tsia …..Raha araka ny fantatra hatrany dia lela-vola no omen’ny FID mandritra izany raha mahazo ilay olona ary haodina. Tsy mijanona hatreo fa manara-maso akaiky izy ireo ka ho an’ireo tena mampiasa vola marina dia mbola ampiana izany hahafahana manatsara ny velon-tenan’izy ireo.
Pati
Legende : Mbola feno olona tahaka izao ny vavahadin’ny Fokontany !

 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,

Card image cap
12-juin-2025

Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny

Card image cap
12-juin-2025

Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana

Card image cap
12-juin-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,

Card image cap