airtel

Sosialy

04-avril-2022

Sosialy

Fanampiana noho ny loza voajanahary Nanolotra 5 tapitrisa dolara ny Amerikanina

Sample post image

Manome 5 tapitrisa dolara fanampiny ny Governemanta Amerikana ho an'olona 150.000 niharam-boina tamin’ny rivodoza.

04-avril-2022

 Famatsiam-bola vaovao ho an'ny Firenena Mikambana sy ny Vokovoko Mena (Croix Rouge) no manamarika fitomboana avo folo heny amin'ny fanampiana avy any Etazonia. Iray volana taorian’ireo rivodoza nisesisesy nahafaty olona tany amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara, dia mbola miatrika fiainan-tsarotra hatrany ny ankabeazan’ireo niharam-boina. Manoloana izany dia manome vola 5 tapitrisa dolara fanampiny ho an’ny fanampiana ara-tsakafo, trano, ara-pahasalamana ary fidiovana ny vahoaka amerikana amin’ny alalan’ny USAID (United States Agency for International Development). Homena ny PAM (Programme Alimentaire Mondial), UNICEF, ary ny Federasiona Iraisam-pirenen'ny Vokovoko Mena (Croix rouge). Fitohizan’ny fanampiana teo aloha izay efa nitentina 500.000 dolara izy io mba hanampiana bebe kokoa ireo olona simba ny tranony sy ny fiainany amin’ny ankapobeny. “Noho izany fanampiana izany dia nampitombo avo folo heny ny fanoloran-tenany i Etazonia ho an’ireo olona rava trano sy rava fivelomana noho ity tafiotra mahery vaika namely ny faritra atsimon’i Madagasikara ity”, hoy ny Mpiandraiki-draharaha Amerikana Amy Hyatt. “Toy ny ‘Mpirahalahy Mianala’ ny vahoaka amerikana miara-mijoro amin’ny vahoakan’i Madagasikara amin’izao fotoan-tsarotra izao”. Ny ampahany betsaka amin’ny famatsiam-bola 3 tapitrisa dolara, dia hanomezana vary 1.200 taonina, voamaina ary menaka be otrikaina ho an’ireo traboina ao amin’ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana, hozarain’ny PAM. Izany dia hatolotra olona miisa 26.000 mahery mandritra ny telo volana. Tokantrano 17.300 (manodidina ny 86.000 olona eo ho eo) no hahazo fanampiana ara-bola mandritra io fe-potoana io. 700.000 dolara indray no hampiasain’ny UNICEF amin’ny fanomezana rano sy fitaovana fidiovana ho an’ny olona miisa 20.000 ao Nosy Varika, Mananjary ary Vohipeno.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap