Raha araka ny fantatra mantsy dia lasa tany amin’ny kaominina ambanivohitra Antanandava Atsimo, distrikan’Amboasary Atsimo ilay fanampiana ara-tsakafo avy amin’ny PAM na ny Fandaharan’asa iraisam-pirenena momba ny sakafo tokony ho an’ireo mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antananandava Atsimo Mandrere, distrikan’i Taolagnaro. Ny 07 Martsa teo no nitrangan’izany, fanampiana ahitana vary milanja 34 taonina, menaka an-jatony litatra ary voamaina an-taoniny maro sy fanampin-tsakafo ihany koa. Nanambara moa ny teo anivon’ny PAM fa tsy fahadisoan’ity lehiben’ny faritra iray ity velively izany fa nisy avy amin’izy ireo ihany koa. Na izany aza miantso ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina ambanivohitra Antanandava Atsimo Amboasary Atsimo ny tenany mba hamerina ireo fanampiana diso fiantefa lasa any amin’izy ireo ireo.
Pati
Maro amin’ny malagasy ankehitriny no efa manangana saina fotsy na koa hoe maneho fa resy tanteraka manoloana ity olan’ny herinaratra ity na delestazy