famoahana CSJ sy plan ana tany
Nahazo fotodrafitrasa misy fitaovana ara-informatika manara-penitra na "Guichet automatique" famoahana CSJ (Certificat de Situation Juridique) sy plan ana tany ny Sampandraharahan'ny fananan-tany ao Nosy Be Hell Ville, izay hokanana anio alakamisy 23 septambra 2026 Zava-dehibe amin'ny fialana sy fampihenana ny fikirakirana taratasy na "dématérialisation". Ny plan, ny boky, ny kara-tany rehetra izay mbola avotra dia nezahana natao nomerika avokoa. Vokany, afaka mamoaka "plan" sy CSJ eo noho eo ho an'ireo antontan-taratasy efa vonona sy nivadika ho nomerika noho izany ity sampan-draharaha ity. Mazava ho azy fa ny tany efa vita "titre" ihany no tafiditra ao anatiny ny antontan-kevitra samihafa. Nomarihin'ny tompon'andraikitra voalohan'ny Sampan-draharahan'ny fandrefesan-tany fa Nosy Be dia tsy karatany na kadasitra fa titra ihany. Natao io hanafainganana ny tolotra homena ny vahoaka. Zava-bita isan'ny tsara sy tena zava-dehibe amin'ny fikirakirana ny raharahan-tany, ary raha tsy diso aho, dia Antananarivo Avaradrano sy Antananarivo Atsimondrano ihany no efa nahazo tahaka ity, hoy ny tompon'andraikitra eo anivon'ny sampan-draharahan'ny fandrefesan-tany ao Nosy Be. Eo anatrehan'ny hoe maro be ny mimenomenona amin'ny resaka tany eto Nosy Be, nambara fa "Nosy Be dia manana taha ambony indrindra amin'ny fiarovana ara-tany na "taux de sécurisation foncière" satria efa 80% any ny tany vita titra". Ny olana resaka tany eto Nosy 6 izay ataoko 80% ihany koa, hoy ny tompon'andraikitra, dia resaka tanin'ny SIRAMA. Efa sehatra tsy miankina ny SIRAMA, ka efa tsy andraikitry ny Sampandraharahan'ny fananan-tany intsony fa any amin'ny tribonaly sy ilay tompony. Ny resaka Nosy Sakatia raha hazavaina fohihohy dia nisy tany efa nofandrihin'ny Fanjakana ho an'ny fampiroboroboana ara-pizahantany kanefa io tany io efa nofaritan'ny Fanjakana nanomboka ny 2006 ny "phase de bornage", efa nisy dingana maro kanefa amin'izao dia misy "opérateurs " vitsivitsy ilay toerana. Na izany na tsy izany, nambarany fa miezaka ny Fanjakana amin'izao, efa nofoanana ny fanomezana azy tamin'ny olona taloha, naverina ho fananam-panjakana, eo am-pandinihana hoe: Iza no "opérateur touristique" hamokatra amin'io tany io mba hahazoantsika rehetra tombotsoa, hoy hatrany ny fanazavana.
Toky R
Zava-maniry toy ny fakan-kazo