airtel

Sosialy

05-nov-2021

Sosialy

Fananganana tsy ara-dalàna sy fandrodanana Tena efa lasa any amin’ny resaka kiboribory vetaveta

Sample post image

Niroso tamin'ny fandrodanana ireo tranom-barotra nambara fa naorina tsy ara-dalàna na "constructions illicites" ny biraon'ny prefektiora ny Kaominina Ambonivohitr’i Toliara ny 02 novambra teo,

05-nov-2021

 taorian'ny didy izay navoakan'ny Fitsarana. Nisavorovoro ary mbola tsy tena milamina hatramin’izao. Niteraka adihevitra tsy nifankahitana moa io, ka dia samy nandrirotra ny azy teny arakaraka ny heverin’ny tsirairay avy ho marina sy hitsiny. Rehefa hoe ampiharina ny lalàna dia izay ilay izy, saingy izao kosa: ambara fa tsy ara-dalàna ireo fanorenana satria mety teo ambony “trottoir” na “lakan-drano”, manohintohina ny fifamoivoizana, tsy nahazoana alalana,... Ny tena mahatalanjona eto amintsika anefa, tsy ao Toliara ihany fa saika manerana an’I Madagasikara, dia efa mandeha be ilay fanorenana vao hoe arodany. Fa tsy hita mihitsy ve io vao niainga, ary tsy misy olona adala hoe: tsy manana “pérmis de construire” ka hanangana trano be, fa io izany dia tsy ny tompon’ilay trano irery no diso fa any anaty vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy fanjakana any dia maro ny be vinany noho ny kibizibizina. Ity tao Toliara ity izao, dia misy milaza ireo mpivarotra fa ny Kaominina ihany no nanome alalana. Fahita moa amin’ny resaka tsena ny mody latabatra kely hivarotana aloha no atao eo tsy misy miteny, mivadika ho trano hazo, lasa trano vy,… Fa nahoana no tsy vao any amin’ny latabatra dia foanana? Ohatra iray hafa izao ilay tsenabe eo Behoririka. Moa va tsy nambara io taloha fa hoe fanorenana tsy ara-dalàna, avy eo atao tsena. Mahazo volon-tany eo ilay olona dia hoe: izahay efa teto nanomboka tamin’izao sy izao. Tsy resaka tsena ihany, fa lasa iny izao nisy hoe rehefa nidirana depiote iray an-tsehatra, dia nisy nahazo ny tany voalaza fa an’ny oniversiten’Antananarivo. Dia io ihany koa fa misy tanàna hafa manao izany, toy ny etsy Nanisana, izay tsiahivina fa nisy ny sasany nandrindra ny savorovoron’ny 2009 no nihazakazaka ny fananganana trano an-kitsirano tamin’ny tanim-panjakana, kianja filalaovam-baolina, parc,… Notazanim-potsiny, 12 taona aty aoriana milaza ho nanajary ny olona,… Maninona no tsy tamin’izany dia efa nosakanana? Ilay mandrava fananana manahirana, ka fisorohana no tokony hatao raha tena te hampanara-dalàna tokoa mba tsy ho lasa kiboribory vetaveta lava eto ny resaka satria samy handrirotra ny heveriny fa marina, rariny, ny lalàna.

Toky R
 

Dans la même rubrique

07-mai-2024

Firenena manana taha ambony dia ambony amin’ny trangana tsy fahampian-tsakafo aty

Card image cap