airtel

Sosialy

13-déc-2022

Sosialy

Fanantenana FAFI V Nanome fanampiana ireo mpamaky vato

Sample post image

Olona sahirana mpamaky vato aman-jatony teny amin’ny « carrière » Ambatomaro no samy nahazo fanampiana toy ny vary, menaka, savony,

13-déc-2022

voamaina avy tamin’ny filohan’ny fikambanana mpanao asa soa Fanantenana FAFI V, Hanitriniala Fanantenana, sy ny Solombavambahoakan’ny boriborintany fahadimy, Naivo Raholdina, ao anatin’izao akatoky ny fetin’ny noely sy taom-baovao izao. Samy nahazo anjara avokoa, hoy ny fanazavana, na ny zokiolona, na ny reny sahirana na ny ankizy teny Ambatomaro sy Ampanotokana ary notsidihany isan-tokantrano kosa ireo zokiolona ka notolorany solom-body akoho ho fanampiny ary vatomamy sy biskoitra ho an’ny ankizy. Ahitana mpanasa lamba aman-jatony ihany koa ny fokontany Ambatomaro ka samy nomena fanomezana mitovy fa amin’ny maha mpanasa lamba azy dia niampy koveta lehibe sy savony ny azy ireo. Torak’izany koa ny teny Ampanotokana izay ahitana vehivavy mpanasa lamba maromaro ka samy notolorana fanomezana mitovy avokoa. Toy ny fitia vary aloha ihany ireny, hoy hatrany ny filohan’ny Fanantenana FAFI V, mahavonjy fa tsy mahavita taona ka hitohy hatrany ny fanampiana ireo sahirana mendrika ny ho ampiana, indrindra moa amin’izao faha 15 taonan’ny fikambanana izao araka ny teny filamatra hoe «Aza manao kely tsy mba mamindra!».
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap