airtel

Sosialy

17-nov-2021

Sosialy

Fanaparam-pahefana Hosaziana mafy ilay Polisy nidaroka sivily

Sample post image

Polisy iray no nilako lehilahy sivily iray nitrotro zaza tetsy Miandrarivo Ambanidia, araka ny horonan-tsary nalaina olon-tsotra niparitaka omaly talata 16 novambra 2021.

17-nov-2021

Vono, daroka, daka, totohondry, teny ratsy,… no voarakitra ao anatin’ilay « video » izay heverina fa tsy nampoizin’io mpitandro filaminana io. Tsy fantatra mazava izay niantombohan’ny olana, fa ny horonan-tsary kosa dia tena maneho habibiana sy fihetsika tsy mendrika amin’ny maha olombelona nataona olona sokajiana ho mitandro ny filaminana sy ny lalàna ary ny zo fototra maha olombelona ny andraikitra nankinina taminy. Raha ny vaovao hafa tsy ofisialy, dia tranga efa ny alahady teo izy ity fa omaly vao nivoaka, ary resaka akoholahy mpiady maty noho ny hetraketraky ny teo an-tanàna no antony. Ny fanadihadiana sy ny fanazavana no mety hamaritra ny tena marina, saingy na inona na inona aloha antony, dia heloka eo anatrehan’ny lalàna ny herisetra sy ny vono, ary miharihary ao anatin’ny horonan-tsary, fa olona tsy mamaly sy miaro ilay zaza tsy ho voadaroka aza no hita. Mbola endrika herisetra ara-batana sy ara-tsaina ny nahazo ilay zaza tsy manan-tsiny. Na nisy aza ny olona niantsoantso sy nikiakiaka hoe : « tsy mety izany rasefo a !”, “aoka rasefo a!”,… dia toa tsy noraharahian’ity polisy ity, fa ny nataony ihany no nataony. Tsy mba olon-tsotra fa mpitandro ny filaminana natao hiaro ny vahoaka, natao ho filamatra amin’ny fanajana lalàna, natao ho fitaratra amin’ny fitondran-tena,… saingy lasa mpidaroka olona. Sanatrian’ny vava natao hankahalana polisy, fa tena mahatezitra, manala baraka azy ireo, ary henatra tanteraka ho an’ny mpitandro filaminana ny toy ireny.
HOSAZIANA MAFY
Namoaka fanambarana moa ny Polisim-pirenena, fa efa nosamborina ilay polisy nihoa-pefy io. Salama tsara kosa ilay zaza ary tsy misy atahorana ny momba azy. Na inona na inona antony dia tsy azo ekena ny fanaovana herisetra tahaka izao indrindra raha mpitandro ny filaminana tokony hiaro vahoaka indray no manao izany. Ny Polisim-pirenena dia manameloka tanteraka ny fihetsika toy izao izay mifanohitra tanteraka amin'ny teny filamatry ny Polisim-pirenena "Polisy miaro sy Manampy ny vahoaka" . Hisy ny fandraisana andraikitra ary ho saziana mafy ity Polisy nanao herisetra ity”, hoy ny fanambarana, izay niantso ny olona ho sahy hitoroka na hiantso ny laharana 34 05 507 34, raha misy fihoaram-pefy ataon’ny polisy. Azo sokajiana ho fihetsika tsy mifaditrovana kokoa mitaha an’ilay Ray nanafay an-janany teny Soavimasoandro ny 14 desambra 2020, izay niteraka resabe ity. Andrasana ny tohiny!
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap