ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana, ny mpiara-miombon’antoka sinoa dia ny Yuan’s international izay tompon’ity vary safiotra ity isika amin’izao fotoana izao, hoy ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny STOI, Tahiana Razanamahefa. Nisy, hoy izy, ny fanasan’ny Yuan’s ny STOI tany Chine ho fanamafisana ny fiaraha-miasa ny fanapariahana ity karazam-bary ity aty Madagasikara. Efa maro ankehitriny ny firenena afrikanina liana tanteraka amin’izany fambolena sy fanapariahana vary safiotra izany. Isika eto Madagasikara, 12 taona lasa izay no efa nanomboka izany tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’ny STOI sy Yuan’s international. Ny taona 2017 no nanomboka ny fanapariahana. Vahaolana ho an’ny tantsaha ao anatin’izay dia ny hoe mila isika mamboly safiotra. Hanomboka amin’ny septambra izany, ho an’ity taona ity. Ny fanjakana no manolotra ny toerana dia ny sehatra tsy miankina no manaparitaka. Efa mihena izany ankehitriny ny fanafarana masomboly avy any ivelany satria manomboka manaparitaka eto an-toerana isika. Niakatra 7% teo ny tahan’ny voka-bary teto Madagasikara. 9% izy tamin’ity taona ity ary inoana fa mbola hiakatra amin’ny taona hoavy.Tanjona ny hahatongavan’i Madagasikara amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo fa eo ihany koa ny fahazoana antoka ara-tsakafo na “sécurité alimentaire” manoloana ny zava-misy iraisampirenena izay hitantsika ny fahasarotan’ny fahazoana zezika. Eo ihany koa ny toetr’andro satria rehefa misy ny fiovaovan’ny toetr’andro dia misy koa ny loza voajanahary samihafa izay ilana ijerena vahaolana maharitra ahatongavana amin’izay fahavitan-tena ara-tsakafo izay. Masomboly efa natao andrana izay mifanaraka tsara amin’ny toe-tany eto Madagasikara sy ny tanimbary eto no jerena dia ilay karazany miisa 3 na 901, 902, 902-3. Miditra amin’ny “industrialisation” na fametrahana orinasa manodina akora koa isika ka hisy koa, araka izany, izay antsoina hoe “usine d”engrais” apetraka eto izay alohan’ny faran’ny taona eto Madagasikara ahafahan’ny tantsaha misitraka izany zezika izay tena singa iray lehibe satria ahafahana mampiakatra ny tahan’ny voka-bary eto amintsika izay, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.