airtel

Sosialy

13-avril-2022

Sosialy

Fanaraha maso ny vidin entana Hihatra ny sazy manomboka amin ny herinandro

Sample post image

Nidina tampoka nanara maso ny fampiharana ny famerana ny vidin entana ny Minisitry ny indostria sy ny varotra ary ny Fanjifana Atoa Edgard Razafindravahy omaly

13-avril-2022

Mahamasina, Anosibe ary Tanjombato no nanaovana fidinana niarahany tamin’ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Voahaja ny fepetra famerana ny vidin'entana farany ambony, navoaka tsy satry ireo entam-barotra nangonina tsy namidy,... “Misaotra anareo fa mahafinaritra ny mahita hoe mifanampy isika mba hitsinjovana ireo mpanjifa”, hoy i Edgard Razafindravahy izany androany 12 Avrily 2022 maraina, nanoloana ny mpivarotra sy ny avy amin'ireo fikambanan'ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa. Tsikaritra fa efa mipetraka avokoa ireo famerana ny vidin'entana ireo eny amin'ny mpivarotra sy mpamongady na teny Mahamasina izany, na teny Anosibe na teny Tanjombato, hoy hatrany ny fanamarihana. Raha ny menaka manokana dia nambara fa hita ho latsaky ny vidiny voafetra ny hamarotan’ireo mpivarotra azy, ahitana hatramin’ny 9.300Ar ny tavoahangy amin’izany. Raha ny vary indray dia voahaja hatrany ny vidiny ambony indrindra 2.200Ar ny kilao ho an’ny vary nafarana eny amin'ny mpaninjara. Araka ny nifanarahana ny vidin'ireo entana eo amin'ny tsenany, misy ary ny nalatsaka, hoy Rtoa Delphine Juliette, mpamongady eny Anosibe. "Noferana ny vidin'entana, tena tonga dia nivoaka daholo ny entana rehetra rehetra", hoy izy toa te haneho an-kolaka ny fisian'ireo mpanararaotra mikasa ny tsy hamoaka ny tahiriny raha tsy amin'ny fotoana fiakaran'ny vidin'entana.«Hiarahantsika mahita fa efa voafehy tsara ny vidin’ny vary eto Madagasikara raha jerena ny tao anatin’izay fito volana izay. Efa hanomboka hiakatra ihany koa ny vokatra eto an-toerana rehetra ka hitondra fihenam-bidy eo amin’ny vary izany. Miezaka ny ekipan’ny Minisitera hanara-maso ny fampiharana ny fepetra ho fitsinjovana ny mpiara-belona. Tsy mitsahatra ihany koa ny tompon’andraikitra eto amin’ny minisitera manome fanabeazana sy fanentanana hatrany ireo mpandraharaha ara-barotra mikasika ny fampiharana ny fepetra napetraka», hoy hatrany ny Minisitra, raha toa ka nanome toky hanentana ny mpivarotra kosa ny ben’ny tanàna tetsy Tanjombato.

Nojerena ny fampiharana ny famerana, fampahafantarana ny fisian’ny fanapahan-kevitra, misy ny fanabeazana, fa amin’ny herinandro ambony kosa dia hihatra ny sazy ho an’ireo tsy mampihatra, hoy ny minisitra. Nambara fa rehefa miakatra ny vary eto an-toerana, dia miala tsikelikely ny vary tsinjo mba hitsinjovana ny tantsaha. Nilaza hijery mivantana ireo mpamongady ihany koa ny minisitra izay nanamafy fa misy ny fetra amin’ny tombony alaina. Misy ny fanararaotana ary tsy maharaka ny fanaraha-maso, lasa mampitovy amin’ny vidiny farany ambony ny mpamongady, hoy kosa ny mpivarotra.
Toky R
 

 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap