airtel

Sosialy

30-mars-2022

Sosialy

Fanaraha-maso ny vidin’entana Miandry fomba fiasa vaovao ny mpanjifa

Sample post image

Azo lazaina ho efa ela no miandry fomba fiasa vaovao ny mpanjifa raha mikasika ny fanaraha-maso ny vidin’entana eto Madagasikara no resahana manoloana ny vidangan’ny vidin’entana tsy mety mitsahatra mandrak’ankehitriny.

30-mars-2022

 Isan’ny fanontaniana efa nipetraka ary mbola mipetraka hatrany ny hoe hatraiza ny fetran’izay fanaraha-maso ataon’ny minisiteran’ny varotra sy fanjifana na minisitera tompon’andraikitra amin’ny resaka vidin’ireo entana ilaina andavan’andro izay? Maninona ireo mpanara-maso ny tsena no tsy mba midina ifotony any amin’ireo mpamatsy entana amidy na “fournisseur” fa ny eny amin’ny mpivarotra enta-madinika na episeria no terena handatsaka vidin’entana? Isan’ireo mba hanaovana fitsirihana sy terena hampidina vidin’entana koa ve ireo mpamongady vahiny na tompona orinasa misehatra amin’izay resaka izay saingy vahiny toy ny sinoa sy ireo faritana mahazatra amin’ny hoe karana? Sa efa tany fa voasesika vola? Andrasan’ny maro araka izany izay fomba fiasa vaovao sahy manery hatramin’ireo mpandraharaha farany vaventy izay.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap