airtel

Sosialy

13-janv-2022

Sosialy

Fanaraha-maso ny vidin’ny Vitogaz Nanao fidinana tampoka ny Minisiteran’ny varotra

Sample post image

Niara-nidina tampoka teny anivon'ny mpaninjara mivarotra entona fandrehitra Vitogaz ny delegasiona avy eto amin'ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC)

13-janv-2022

 notarihan'ny Tale Jeneralin'ny Varotra sy ny Fanjifana (DGCC) Naina RANDRIAMANANJARA sy ny Orinasa Vitogaz omaly 12 janoary 2022. Niompana tamin'ny fijerena sy fanamarinana ny lanjan'ny entona fandrehitra izany fidinana izany hikajiana ny tombontsoan'ny mpanjifa vokatry ny fitarainana voaray mikasika ny entona fandrehitra amidy eny amin'ireny toeram-pivarotana entona fandrehitra ireny. Ara-dalàna avokoa ny entona fandrehitra sendra azy ireo teny amin'ny Shell Behoririka sy Supermaki Ankadifotsy. Hitohy manerana ny Nosy ny hetsika fanaraha-maso sy fanamarinana ao anatin'ny fotoana tsy voafetra. Miakatra izay tsy izy ny vidin'ny entona fandrehitra eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, saingy mijanona ho amin’ny vidin’ny teo aloha, izay naverina tamin’ny laoniny taorian’ny fampiakarana kosa izany ho an’ny eto Madagasikara. 24 500Ar ar ny vitogaz 4kg, 51 800Ar ny 9kg, 72 000Ar ny 12,5kg,... Notsindrian'ny DGCC kosa anefa fa marin-toerana izany ary voahaja ny vidiny napetraka nanomboka ny volana desambra 2021 vokatry ny fifampiresahana teo amin'ny Minisitra Edgard Razafindravahy sy Mpitantan-draharaha nomem-pahefana ao amin'ny orinasa Vitogaz. Miezaka hatrany ny Minisitera miaro ny fanajana ireo zo sy tombontsoan'ny mpanjifa izay tafiditra ao anatin'ny fanatanterahana ny Veliranon'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, hoy ny fanazavana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap