airtel

Sosialy

11-avril-2023

Sosialy

Fanararaotana andro fety Manafosafo ny 10.000 Ariary ny kilaon’ny tongolo

Sample post image

Raha efa nampivarahontsana ny nafitsok’ireo mpivarotra sasany eny an-tsena ny herinandro teo dia vao mainka

11-avril-2023

mampiteny ny moana, raha ny hita hatramin’ny sabotsy teo ny fanararaotan’ireo mpivarotra sasany tao anatin’izao fetin’ny Paska izao. Maro ireo filana an-davan’andro nisondro-bidy saingy tsikaritr’ireo mpanjifa ho efa tena tsy rariny intsony ny fahasahian’ireo mpivarotra sasany nanondrotra avo 3 heny ny vidin’ny tongolo «oignon». Raha nanodidina ny 3000 Ariary ny kilaon’izany heverina ho mety mba zakan’ny be sy ny maro dia nisy sahy nivarotra 5000 Ariary. Herinandro taorian’izay dia efa tafakatra 7000 indray. Nisy nanao 8000 Ariary mihitsy aza. Ny sabotsy teo nisy nahasahy nivarotra 9000 Ariary, izany hoe, efa manafosafo ny 10.000 Ariary nefa any amin’ny toeran-kafa misy mbola mivarotra 38.000 Ariary.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoarana,

Card image cap