tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sosialy

Fanatsarana ny fambolem-bary Hanome 65 miliara Ar ny Japonais

Tonga nanolotra ny dika mitovin’ny taratasy manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara tamin’ny Filoham-pirenena ny Ambasadaoron’i Japon vaovao Koji Abe omaly.

27-oct-2022

Sample post image

Noraisina tenyIavoloha, ary nisy avy hatrany ny soniam-piaraha-miasa taorian’izay. Tsara ny manamarika fa maro ny fiaraha-miasa amin’ny Japonais, raha tsy hilaza afatsy ny tetikasa goavana fanitarana ny seranantsambon’I Toamasina, tetikasa efa nanomboka tamin’ny Fanjakana teo aloha, ary mitohy ankehitriny. Isan’ny nisongadina omaly kosa ny fanomezan’ny Japonais vola 2,257 miliara Yen na 65 miliara Ar izay hanohanana ny fanajariana ny fambolem-bary sy fametrahana toeram-panatsarana ny masomboly eto Madagasikara. Nanamafy ny Japonais fa manohy ny fanohanana an’I Madagasikara amin’ny tontolon’ny fambolena, ka isan’ny lohalaharana izany ny sehatry ny fambolem-bary. Niara-nanasonia ny fifanaraham-piaraha-miasa io teo anatrehan’ny Filoham-pirenena moa ny Minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana sy ny Ambasadaoron’I Japon. Tanjona ny hampimboana ny masom-boly manara-penitra sy ny vokatra, ka fanamby ny hahazoana masomboly hatranyy amin’ny 10 000 taonina mba ho fanohanana ny politikam-pirenena momba ny fampiroboroboana ny fambolem-bary. Natao ihany koa io ho fanohanana sy tan-tsoroka amin’ny fampiodinana ireo rafitra misahana ny famokarana masom-boly azo antoka amin’ny alalan’ny fanaovazana sy fanajariana ara-pitaovana. Isan’ny voaresaka tamin’ny Ticad na ny fikaonandoha iraisam-pirenena teo amin’ny Tokyo mikasika ny fampandrosoana aty Afrika moa ny sehatry ny fambolena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Voir plus