airtel

Sosialy

15-avril-2021

Sosialy

Fandaharan’asa fanampiana ny mpiara-belona Hiara-hisalahy ny FID sy zandarimariam-pirenena

Sample post image

Navaozina omaly 14 aprily tamin’ny alalan’ny fifanaovan-tsonia teny amin’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary

15-avril-2021

 

ny fiaraha-miasa eo amin'ny zandarimariam-pirenena sy ny fandaharan’asa FID (Fonds d'Intervention pour le Développement) mikasika ny fiahiana ny mpiara-belona samihafa manerana ny faritra maro eto Madagasikara. Tetikasa mitondra ny anarana hoe: “Fiatrehana ny voina sy fanarenana”, ka hitondra tantsoroka amin’ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana, toy ny fanasana tànana, ny fitondrana arovava, ny fanajana ny elanelana, fandrindrana ahafaha-mampihena ny fifampikasohana mandritra ny fandoavana ny fanampiana ho an’ny vahoaka,… ny zandarimariam-pirenena. Notsiahivin’ny Tale Jeneralin’ny FID Atoa Jaona Andrianantenaina, fa nanomboka ny taona 2019 no efa niara-dalana ny Zandarimariam-pirenena sy ny FID tao anatin'ny fanatanterahana ireo fandaharan'asa. Mikendry hatrany ny fiarovana ny mponina any amin'ireo faritra rehetra iasan'ny FID, fiarovana ny mpiasa, ny fitaovam-piasana, ny vola, ny toerana sy fotoana fandraisana ny vatsy ara-bola ary koa ireo mpisitraka io fandaharan’asa io”, hoy izy. Izao ihany koa no natao dia ho fanamafisana ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana enti-miady amin'ny valanaretina izay misy ankehitriny. Amin’ny alalan’ny famaritana mazava mialoha, dia hahazo vaovao momba ny filaminana eo amin’ny faritra hiasany mialohan’ny fanatanterahana izany, ary hisy mpitandro filaminana miaraka aminy mandritra ny fidinana ifotony ireo mpiasa sy sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny FID, raha ny fanazavan’ny Jeneraly Andriananjanaka Njatoarisoa, Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. Natao io tsy ho fiarovana amin’ny hisian’ny halatra na fandrobana, fa ao anatin’ny fiarovana eo anatrehan’ny risika lehibe amin’ny ara-pahasalamana ihany koa, araka ny fanazavana teknika.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap