airtel

Sosialy

08-juin-2022

Sosialy

Fandaharan’asa FIAVOTA Manampy betsaka ireo vehivavy sy ankizy any Atsimo

Sample post image

Ankoatra ny tosika ara-bola dia tohana goavana tena sitrahan’ireo mpisitraka ny fandaharanasa FIAVOTA, ny tantsoroka maro entina handrisihana ireto farany, hiova fihetsika,

08-juin-2022

hanatsara ny fiainany andavanandro ary hahatonga azy hahavita tena eo amin’ny fiainana. Isan’izany ny fampianarana azy ireo ny teknika fampiroboroboana ny fiompiana sy ny famokarana, ary ny fomba fihariana, ny fomba fitaizana sy fampivoarana ny zaza madinika, ny fomba fitantanam-bola, fampianarana mamaky teny sy manoratra,… Fokontany roa isany nisitraka izany, ny ao amin’ny fokontany Ampary sy fokontany Tsitindroka kaominina Anjampaly, distrikan'ny Tsihombe Faritra Androy.

MAZOTO MIANATRA IREO RENIM-PIANAKAVIANA

Iray amin’ireo tantsoroka omen'ny governemanta Malagasy amin'ny alalan'ny fandaharanasa FIAVOTA ny fampianarana ny Ndatibe, na ireo Reny mpisitraka ity fandaharanasa ity. Isan'ireo nisitraka izany ny ao amin'ny fokontany Ampary, kaominina Anjampaly, distrikan'ny Tsihombe Faritra Androy, satria dia ny 95 % ny mponina ao an-toerana no fantatra fa tsy mahay mamaky teny sy manoratra, raha ny vaovao avy amin’ny tompon'andraikitra any an-toerana. Hampianarina azy ireo ao anatin'izany ny fomba famakiana teny, fikajiana ary fanoratana. Araka ny fanazavana nentin'i RETSILEVO, iray amin'ireo mpampianatra, dia mazoto mianatra sy mora hampianarana ny renim-pianakaviana ao an-toerana na eo aza ny olana amin’ny fanajana ny fotoana noho ireto farany efa samy manana ny tokantranony avy. Reny mpisitraka ny fandaharanasa FIAVOTA miisa 60 no efa misitraka ity fampianarana maimaimpoana ity, izay maharitra herintaona. In-3 isaky ny herinandro (Alatsinainy, talata, alakamisy) kosa no mianatra, ary 3 ora ny faharetan’ny fianarana. Ny avy eo anivon’ny "Fonds d'intervention pour le développement", izay manatanteraka ity fandaharanasa ity, no mamatsy ara-pitaovana ireo renim-pianakaviana, ary toy ny fianarana rehetra dia misy ny tombana izay tsy maintsy atao isam-bolana, hijerevana izay tsy mety sy hijerevana izay zavatra adinon'ireo «Ndatibe». Hetahetan'ny mponina ao amin’io fokontany io moa ny hitohizan'ny fandaharanasa ao an-toerana, ary koa ny hivelaran'izany ho an'ireo tsy mbola mpisitraka azy.

TANTSOROKA FAMPIVOARANA NY ANKIZY MADINIKA
Isan’ireo mahazo tombony ao anatin’ny fandaharanasa FIAVOTA ihany koa ny zanakin’ny mpisitraka. Raha ny ao amin’ny fokontany Tsitindroka kaominina Anjampaly, distrikan'ny Tsihombe, Faritra Androy manokana dia tombony lehibe ny fahazahoan'ireo ankizy madinika tantsoroka fampivoarana. 100% ny fahavitrihan'ny mpisitraka sy ny zanaky ny mpisitraka manatanteraka izany tantsoroka fampivoarana ny ankizy madinika izany, ary tonga manatrika izany ihany koa anefa, na ireo zanaky ny tsy mpisitraka ilay fandaharanasa aza, izay eo amin’ny 50% eo raha ny fanazavan'i
Sambeahy Nestor, Tompon’andraikitry ny FID - Tsihombe.
Kilalao, hira, tsianjery, lalao,... no entina hanabeazana ireo zanakin'ny mpisitraka ary indray mandeha isam-bolana no hanaovana ny "éveil des enfants" ao amin'ny sehatra mahasoa, izay iarahana amin'ireo "Reny mahomby"ao an-toerana ihany. Mizara sokajy telo kosa ny fampivondronana ny ankizy, dia ny latsakin'ny iray taona izay iarahana amin'ny zaza sy ny reniny, ny latsakin'ny 3 taona, ary ny latsakin'ny 6 taona. Sehatra efatra no hanabeazana dia ny ara-batana, ara-pihetsika, ara-pitenenana ary ara-sôsialy. Raha ny lafiny fampitaovana indray dia misy ireo omen'ny "Fonds d'intervention pour le développement", ary misy ireo ambonin'ny mponina amin'ny alalan'ireo akora fototra misy ao an-toerana. Aorian'ny fampivondronana ny ankizy dia misy hatrany ny fizarana sakafo be otrikaina ho an'ireto farany.

RAKETA MENA, LASA SAKAFO SY FIHARIANA
Zava-maniry iray tena isany vokatra any amin'ny faritra Androy ny raketa mena. Amin’ny ankapobeny dia tsy dia fihinan'ny mponina loatra izy io raha tsy amin'ny fotoana tena kere tsy misy sakafo intsony. Afaka atao tsara anefa ny mitrandraka sy manodona azy toa ny nanaovan'ireo mpisitraka ny fandaharan’asa FIAVOTA ao amin'ny Fokontany Ampary, kaominina Anjampaly, distrikan'ny Tsihombe Faritra Androy satria dia nahodin’ireto farany ho lasa "confiture" antsoina hoe "confiture Kilala" izany. Araka ny fanazavana nentin'ny ANDRIATSIHAFA Tomboniaina Olivier Tompon’andraikitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ao amin’ny FID Tsihomby dia ny volana Jolay no tena vokatra ny raketa mena any an-toerana. Hatreto kosa dia tsy mbola ahitana lalam-barotra ity fihariana ataony mpisitraka ny fandaharan’asa FIAVOTA ity.


Isan'ireo nisitraka ny fampianarana maimaimpoana ao anatin'ny tantsoroka atolotrin'ny governemanta Malagasy amin'ny alalan'ny fandaharanasa FIAVOTA i Mizarasoa, renim-pianakaviana manan-janaka telo, ary monina ao amin’ny fokontany Ampary, kaominina Anjampaly, distrikan'ny Tsihombe Faritra Androy. Fiovana goavana no azon-dRamatoa Mizarasoa nandritra ny fotoana nanombohany nianatra, satria ankoatra ny fahalalana maro izay noratovony dia afaka mampianatra sy manampy soa aman-tsara ny zanany, amin'ny fianarana ny tenany ankehitriny. Taloha dia sahirana ny tenany tamin’ny resaka famakiana teny, fanisana, kajikajy amin'ny resa-bola... Faniriany hatrany moa ny hitohizan'ity fianarana maimaimpoana ity.


Lalaina Rav
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap
26-mars-2024

Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny NIM na «Nouvelle institution de microfinance»

Card image cap
26-mars-2024

Azo lazaina ho efa manomboka mipetraka ankehitriny ny fahatokisan’ny malagasy ny NIM na

Card image cap
26-mars-2024

Midangana fatratra toy ny eto an-drenivohitra ihany ny vidim-bary ao amin’ny tsenan’Ankazobe amin’izao fotoana izao.

Card image cap