airtel

Sosialy

13-juil-2021

Sosialy

Fandaminana ny tsena Anatihazo Isotry Tsy vahaolana ny fanisahana mpivarotra

Sample post image

Raha mbola ny fanisahana mpivarotra no eritreretin’ny kaominina atao, hoy ny sefo fokontany etsy Anatihazo Isotry, Jacky Ravaloson, dia tsy vahaolana izany.

13-juil-2021

 

 Mikisaka izy dia miverina eo ihany, hoy izy. Ny fametrahana “piquet” ataon’ny kaominina sy ilay hoe tanora miambina ilay tsena amin’ny fanisahana dia tsy mahavaha olana koa satria izy ireny indray ary no lasa sakana satria miaro ilay mpivarotra amin’ny fibahanan-dalana. Ho ahy dia tsy misy afa-tsy ny fanavaozana mihitsy tsena ho an’ireo mpivarotra ireo na inona na inona ataontsika dia ny fanamboarana tsena vaovao no vahaolana. Tolo-kevitra lehibe atolotro ny fanjakana sy kaominina mihitsy ny momba ity gara idiran’ny masinina ity satria tokony efa tsy hiditra aty an-drenivohitra intsony izany fa io lalamby io no tokony avadika ho arabe sy tsena lehibe hanalana ny mpivarotra eto Antananarivo. Ho anay eo anivon’ny fiadidiana ny fokontany moa dia masiaka mihitsy ny tena amin’io mpivarotra mibahan-dalana io. Vao mikasa ny hipetraka amina toerana tokony tsy hivarotana ny olona dia efa tokony ho esorina fa tsy hoe efa mahazo toerana vao esorina, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap