Raha araka ny fanazavana azo teo anivon’ny kaominina dia mbola vokatry ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny teti-bola hampiasaina amin’izany no antony mampivangongo ireny fako ireny etsy sy eroa. Voatery nanome tanana ny kaominina Antananarivo renivohitra araka izany ny Faritra Analamanga. Natomboka omaly alina izany fandraisana anjara hataon'ny Faritra Analamanga izany . Ireo "engins" sy kamiaon’ ny Faritra Analamanga avokoa araka izany no efa manao ny asa manerana ny faritra maro eto an-drenivohitra isan-kalina.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanombohana ny asa !
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.