airtel

Sosialy

20-janv-2021

Sosialy

Fandripahana ala hatao saribao Inona ny vahaolana aroson’ny Fanjakana ?

Sample post image

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly 19 janoary tany Taolagnaro ny

20-janv-2021

 

 

 

 

fambolen-kazo ho an’ny taona 2021, izay ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mihitsy no nitarika izany. Nandritra io no nilazany fa feno roa taona katroka ny omaly ny nandraisany fahefana. Eto Mananantely aty Taolagnaro no manamafy eo anatrehan’ny vahoaka Malagasy fa hanao ny ezaka rehetra miaraka amin’ireo minisitra sy ireo tompon’andraikitra maro isan-tsokajiny. Tsy maintsy mandroso I Madagasikara, betsaka no efa natao ary mbola betsaka no mbola tsy vita, na dia maro aza no tokony ho tanterahina, hoy I Andry Rajoelina. Tsy maintsy rakotra ala i Madagasikara hatramin’ny fialany eo amin’ny toerana raha ny nambaran’i Andry Rajoelina. Raha 40 000 ha no fanamby, dia 45 000 ha no vita ny taona 2019-2020, hoy kosa ny Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy Rtoa Raharinirina Baomihavotse Vahinala. Fanamby amin’ity taona ity ny handrakotra 75 000 ha izany hoe nakarina ny fanamby.

INONA NO A HASOLO NY ARINA FANDREHITRA ?

Na izany aza, mba inona moa zany no vahaolana aroson'ny fanjakana hasolo ny arina fandrehitra na “charbon” sy kitay izay “principales sources d'énergie” na angovo fototry ny tokantrano Malagasy mba hahomby ny fiarovana ny tontolo iainana (ala)? ary mba tsy ho alasafay ity fambolen-kazo isan-taona ity? Ny resaka “ethanol” izay nentin’ny Vadin’ny filoha Rajoelina iny, efa difotry ny ahitra ny vato fototry ny orinasa, izay nambara fa hotokanana ny 8 desambra 2019. Ny resaka herinaratra tena lafo tsy taka-bidy ary mbola 15% no misitraka izany eto Madagasikara, ny “gaz” tena lafo tsy takatry ny rehetra. Nosokajian’ny Tahiry maneran-tany momba ny fiarovana ny natiora sy ny tontolo iainana (WWF) ho isan’ireo firenena 24 voalohany mafana indrindra sy ikoizana amin’ny famotehana ala i Madagasikara isika ny herinandro teo tao anatin’ny tatitra: “Les Fronts de deforestation: moteurs et réponses dans un monde en mutation”. Ny 2002-2019, nahatratra 1,3 tapitrisa hekitara ny ala may teto amin’ny firenena. Tsy mitsaha-miakatra ny antontan’isa, hoy ny WWF. 67 351 ny teboka nisy ny afo hita amin’ny faritry ny ala tamin’ny 2020. Tafiakatra hatrany amin’ny 386 379 raha ampidirina ireo mirehitra ivelan’ny ala. Antontan’isa ambony indrindra (record absolu) raha ampitahaina amin’ny 2017, 2018, 2019, hoy hatrany ny WWF.

 Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap