airtel

Sosialy

13-déc-2021

Sosialy

Fanjarian-tsakafo sy fambolena any Atsimo Nanolotra 25 tapitrisa dolara ny Amerikana

Sample post image

Nambaran’ny mpiandraiki-draharahan’ny masoivohon’i Etazonia Amy Hyatt ny faran’ny herinandro teo ny fanomezana famatsiam-bola 25 tapitrisa dolara fanampiny,

13-déc-2021

 ho fanampiana vonjy taitra hanalefahana ny vanim-potoana manahirana any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara. Amin'ny alàlan'ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Maneran-tany (USAID) io, amin'ny anaran'ny vahoaka Amerikana, hamatsiana tetikasa efatra ho fanohanana ny fanarenana ny fambolena sy hanomezana sakafo. Tombanana ho 1,3 tapitrisa ny olona any atsimo ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo. Vao manomboka ny maitso ahitra ary ahiana ho voafetra ny fahazoana sakafo hatramin'ny aprily 2022. “18,5 tapitrisa dolara no atolotra ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo (PAM) mba hahafahany manohy ny fizarana sakafo mamonjy aina sy fanomezana fanampiana ara-bola ho an’ny olona 463.000 mahery.” Hitondra fanampiana vonjy taitra ho an'ireo olona tena voa mafy ny PAM. Vahoaka 239.200 no hahazo fanampiana ara-tsakafo ary 224.000 hafa no hahazo fanampiana ara-bola. Hatramin’ny 2015 no mankaty, mitentina 261 tapitrisa dolara mahery no ampiasain’ny USAID any atsimo. Ny Catholic Relief Services sy Action Contre La Faim izay mpiara-miasa dia hanome masomboly mahatanty hain-tany, sy hanolotra fitaovana ho an’ny tantsaha, ary hiantoka ny famatsian-drano ho an’ny fambolena. Hanampy olona 376.000 ireo tetikasa ireo. Sambany eto Madagasikara ihany koa ny USAID no miara-miasa amin’ny Foibe Iraisam-pirenena ho an’ny Vomanga (CIP), hiara-hiasa akaiky amin’ireo tantsaha, hanentana sy hamporisika ny fambolena sy fihinana vomanga miaty volomboasary, izay sady be otrikaina no mahatanty hain-tany ary azo tehirizina mandritra ny enim-bolana, ka olona 400.000 no hisitraka. Mamatsy sakafo ho an’olona 700.000 ny tetikasa vatsian’ny amerikana any atsimo amin’izao, mitsabo sy misoroka ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny ankizy 92.900, manatsara ny fahazoana rano ho an’ny olona 50.000, ary mampiroborobo ny fanarenana ara-toekarena amin'ny alalan'ny fambolena ho an'ny tantsaha 44.520.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap