airtel

Sosialy

09-mai-2023

Sosialy

Fanjifana Niakatra avo roa heny ny vidin’ny savony

Sample post image

Niakatra avo roa heny ny vidin’ny sakafo amidy eny an-tsena amin’izao raha araka ny fanadihadiana natao.

09-mai-2023

Raha 1000 Ar ny iray tamin’ireo kelikely tamin’ny faran’ny taona 2022 dia efa tafakatra 2.000 Ar ankehitriny. Toraka izany koa ireo novidiana 1.200 Ar ny iray tamin’ny volana Desambra dia efa mananika ny 2.000 Ar ankehitriny…. Ny tena mampalahelo anefa hoy ireo mpivarotra dia miharatsy ny kalitaon’ny savony no sady mihakely. Misy fiantraikany goavana amin’ireo olona manao asa fivelontena toy ny fanasan-damba izany, raha araka ny fanadihadiana natao hatrany. Tsy mahavita lamba miisa 50 intsony mantsy amin’izao ny savony miisa 2 fa tsy maintsy 3. Ireo mpampanasa lamba anefa eo an-daniny tsy manaiky fa 50 Ar, na 100 Ar, na 150 Ar ihany ny manasa lamba iray miankina amin’ny habeny. Voatery ilay volakely azon’ireo mpanasa lamba indray araka izany no bangany hamidiny saingy hany ka mihena hatramin’ny vary hatokony. Tsy misy hitan’ny fanjakana avokoa anefa izany fahasahiranana mahazo ny vahoaka madinika izany. Izy ireo ihany anefa no nampiakatra ny hetra alaina amin’ireo akora fototra fanamboarana savony, antony mampidangana ny vidin’izy ireny. Andrasana ny fandraisan’andraikitry ny fanjakana manoloana izany.
Pati
Legende : Tena midangana ny vidin’ny savony eny an-tsena
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap