airtel

Sosialy

01-févr-2024

Fanodinana ny paoman’Antsirabe ho «cidre »

Tafapetraka ny ozinina mahavita manodina 500kg isan’ora

Sample post image

Paoma 500kg isan'ora no voaodin'ny milina ho lasa « cidre »,

01-févr-2024

izay napetraka ao Antsenakely Antsirabe, hoy ny Minisiteran’ny indostria. Milina tafiditra ao anatin'ny tetikasa taninketsa indostrialy na ODOF. Paoma hatrany amin'ny 10 000 taonina no vokatra ao Antsirabe ao anatin'ny taom-pamokarana iray. Ny ankabeazan'ireo anefa dia simba sy lo rehefa tsy misy mandray ny vokatr'ireo tantsaha ka izay indrindra no nisafidianana ity milina napetraka eto ity, hoy ny fanazavana. Efa miodina ny milina ankehitriny, ny orinasa Ampalia no hitantanana izany ary mamanmpy azy ireo amin'ny fitadiavana lalam-barotra amoahana ny vokatra ny ministera. Eny amin'ireo Grande surface no efa azo antoka fa ahitana ny vokatra raha ny nambaran'ny mpitantana ny Ampalia. Efa nisy ny fifampiraharahana teo amin'ireo mpitantana izany sy ny fitondram-panjakana. Natao ho an'ireo vahoaka eny ifotony ity milina fanodinana paoma ho lasa « cidre » naterin'ny minisitra tompon’andraikitra. Asa fandraharahana no atao, hoy ingahy Edgard Razafindravahy, ka tanjona ny hahazoan'ny rehetra tombony indrindra fa ireo tantsaha mpamboly. Teo aloha, raha ozinina iray isaky ny ditrika iray no fanamby tamin'ny alalan'ny ministeran'ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra. Fanamby amin'izao fotoana izao kosa ny ametrahana ozinina fanodinana ny vokatra eny ifotony isaky ny kaominina, ka ao anatin'ny hazakazaka fanatanterahana izany ny minisitera amin'izao fotoana izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique