airtel

Sosialy

23-avril-2024

Fanohanana ara-bola FEC

Fanampiana ho an'ny firenena farahidiny ve no mahafaly ?

Sample post image

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

23-avril-2024

na ny FMI tarihin’I Frederic Lambert. Anton-dian’ireo ny fifampidinihana ara-teknika mikasika ny tetikasa famatsiam-bola roa sosona dia dia ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) vaovao sy ny FRD (Facilité pour la Résilience et la Durabilité). Nisy omaly ny fivoriana notarihin’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rtoa Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Eo am-pamaranana azy nanomboka ny 2021 sy 2023 ny FEC, raha toa ka tetikasa anatin’ny 18 volana ny FRD, ka mitodika kokoa amin’ny FEC vaovao 36 volana ny Fanjakana. Raha ny fanazavana, dia tsy maintsy ampifanindranan-dàlana amin’ny FEC ny FRD. Voaresaka ao anatin’ny tetikasa ny tokony hanamafisana ny fitantanana ara-bola, fandrosoana mampiaty, fampandrosoana ny maha olona, fahamarinana ara-toekerana,… Mivoitra ny fanamafisana ny politikam-pitantanana mifandraika amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fampidirana ny lafiny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny fampiasam-bolam-bahoaka, ny fanatsarana sy fahaiza-mampiaraka ny fitantanana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro fa eo ihany koa ny fanamafisana ny fiarenana ho an’I Madagasikara manoloana ny loza voajanahary, fanamafisana ny fiarovana ny ala sy ny harena voajanahary, fiarovana ara-tsosialy sy ny fampandrosoana ny maha olona, fa indrindra indrindra ny andry eo amin’ny tetibola mitodika amin’ny fahamarinan-toerana ara-toekarena. Tena nijery an’ireo ve ny Fanjakana hatramin’ny nisian’ny FEC ary tena namokatra ve ? Hatreto, karazana vonjy aina sy fitserana avy amin’ny FMI ihany itony famatsiam-bolan’ny FEC itony, ary tsy hoe: fanomezana tombodahiny manokana ho an’ny Firenentsika fa iraisana amin’ny firenena mahantra sy farahidiny. Ny resaka famatsiam-bola lehibe hoenti-manatanteraka ny politikam-pampandrosoana na tetikasa lehiben’ny Fanjakana kosa tsy dia hita taratra firy. Mbola sarotra ihany koa anefa ny fahazoana azy fa mitaky fepetra maro, toy ny fanajana ny Fanjakana tsara tantana, ady amin’ny kolikoly, fanajana ny demokrasia,… Hisy ny fihaonana samihafa ataon’ireo delegasionina ka anisany ny mety ho fihaonany amin’ny Filoham-pirenena, ireo minisitera voakasika,…
Toky R


 

Dans la même rubrique