airtel

Sosialy

22-sept-2026

Fanohanana

ireo marefo sy mananan-kilema

Sample post image

Manatanteraka ny teny

22-sept-2026

nomeny i Kôlônely Andriamiharisoa Gervais
Misedra olana ara-bola ny ivon-toerana SEJAFA ao Farafangana nanomboka ny taona 2021 noho ny fahatapahan’ny famatsiam-bola. Nao aza anefa izany olana izany dia manao ny ezaka rehetra ny mpitantana amin’ny fandraisana sy fikarakarana ireo olona marefo, indrindra ireo ankizy manana fahasembanana, sy ireo manana toe-tena Varira sy ireo zaza avy amin'ny fianakaviana sahirana izay tsy mitsaha-mitombo taizaina ao. Maherin'ny zato isan’andro ireo omena sakafo ao ary vary valo gony isan-kerinandro farafahakeliny no ilaina amin'izany. Tsy mitsaha-mitombo ny filàna, ka manao hetsika rehetra hanentanana ny besinimaro handray anjara amin’ny fanohanana ity ivon-toerana ity ny mpitantana, toy ny fikarakarana "téléthon". Nitsidika tany Farafangana Mpanolontsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, Kôlônely Andriamiharisoa Gervais ny faran'ny herinandro teo. Tonga nanatanteraka ny teny fampanantenana nataony nandritra ny fitsidihan’ny Filohan’ny Fanavaozana, Kôlônely Randrianirina Mickaël mivady, ity Akany ity ny Mpanolontsaina Avo. Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanohanana ireo ankizy marefo izany. Ho fanatanterahana izany teny nomena izany dia nomen'i Kôlônely Andriamiharisoa Gervais ny 10 000 000 Ariary isam-bolana ho fanohanana ny Akany SEJAFA Farafangana.
Jean D.
Ny Mpanolontsaina Avo, Kôlônely Andriamiharisoa Gervais notronin'ireo manampahefana ao Farafangana nitsidika ny Akany SEJAFA
 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

150 sy sekoly iray

Card image cap
22-sept-2026

Nahazo tohana avy amin’ny Ministeran’ny mponina

Card image cap