airtel

Sosialy

15-avril-2022

Sosialy

Fanolanana zaza kamboty Nadoboka am-ponja vonjimaika ilay mpiandry

Sample post image

Nadoboka am-ponja vonjimaika omaly eny amin’ny fonjaben’Antanimora ilay Rangahy voalaza fa mpiandry sy ny zanany lahy nanolana ilay tovovavy kely iray efa kamboty vao 21 taona

15-avril-2022

monja nipetraka tao amin’ny toby fitaizana zaza kamboty izay niandraiketany. Raha tsiahivina kely ny tantara dia efa kamboty Ray ity zaza ity raha sahirana kosa ny Reniny ka any ambanivohitr’Antsirabe no mipetraka . Ny naman'ny dadany, izay mitantana toby mpiandry lehibe eto an-drenivohitra no nandray sy nitaiza azy araka izany. Rehefa nandeha anefa ilay fotoana dia naolan'io rangahy lehibe io sy ny zanany lahy io tovovavy kely ity, ka saika namono tena mihitsy. Mangataka fanampiana amin’ireo tsara sitra-po tsy an-kanavaka rehetra araka izany ity tovovavy ity mba hahafahany manohy ny fianarany. Tsy afaka ny hijanona ao amin’ilay toby nisy azy teo aloha intsony mantsy ny tenany fa tsy maintsy handeha.
Pati
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap