sy ireo mety mitovy saranga aminy no mari-drefy handrefesana ny fari-piainana sy ny fahantran’ny vahoaka. Nanaitra ny fomba firesaky ny Filohan’ny Antenimierandoholona Jeneraly misotro ronono Richard Ravalomanana tamin’ny fampahalalam-baovao vahiny iray volana lasa, saingy miverina mifoha ankehitriny sy lasa adihevitra goavana ankehitriny. Ity farany izay sahy nilaza tao anatin’ny ampahan’ny fandaharana fa tsy mahantra izany i Madagasikara, fa ny serasera no diso. « Raha mandeha any ivelany dia lazaina fa Madagasikara dia lazaina fa anjakan’ny tsy fandriampahalemana kanefa tena diso. Ampitahaina amin’ny firenen-kafa dia afaka mivoaka alina tsara eto Madagasikara. Lazaina fa Madagasikara dia Firenena faran’izay mahantra eto ambonin’ny tany, kanefa raha mandeha any Antananarivo na any amin’ireo tanàn-dehibe hafa dia misy fitohanana goavana ny fifamoivoizana toy ny aty, ka tsy afaka milaza isika fa mahantra kanefa misy fitohanan’ny fifamoivoizana amin’ny tanàn-dehibe. Raha makeny an-tsena, betsaka ireo olona miantsena amin’ny « Grandes surfaces » miaraka amin’ny, ka izany no ilazako fa tena manan-danja be ny serasera, ary lasibatra amin’izay lafiny izay i Madagasikara nanomboka fotoana tsy dia ela izay, hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona. Ny Antenimierandoholona dia mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, izany hoe : tokony hahalala ny tena zava-misy eny ifotony, ny zavatra iainan’ny Malagasy,… saingy mahagaga sy mampanongo tena raha ny Filohan’izany andrim-panjakana izany no sahy milaza fa tsy sahirana sy tsy mahantra izany i Madagasikara. Ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy ny fisian’ny olona miantsena amin’ny tsena lehibe « Grandes surfaces » izany no lasa tondro sy mason-tsivana handrefesana ny tsy maha firenena mahantra ho an’ity olona ambony laharana faharoa eto amin’ny Firenena ity. Firy isan-jaton’ny Malagasy no manana fiara ? Firy isan-jaton’ny Malagasy no afaka miantsena eny amin’ny « Grandes surfaces » ? Tsy dia atao mahagaga anefa ny fahenoana mpitondra milaza hevitra taingina na « argument bidon » satria hatramin’ny Filoham-pirenena aza milaza fa tsy ekeny ny hoe : ambanin’ny 600 dolara ny harin-karena na PIB isam-batan’olona eto amintsika ary mbola mandroso noho i Somalie sy Soudan ary Mali isika. Fandrosoana inona no hita amin’ny mpitondra mpanamarin-tena eo anatrehan’ny tsy fahaiza-mitantana ?
Toky R
Efa tsy ara-dalana intsony ny fomba fiainan’ny Malagasy sy ny fisainany ankehitriny
Tsy nandalo fotsiny ny fetin'ny Eid Mubarak ho an'ny Association
Nanolotra vary mitotaly 9984 taonina mitentina 12,5 tapitrisa dolara amerikana
Tsy nandalo fotsiny ny fetin'ny Eid Mubarak ho an'ny Association Ahmadiyya