airtel

Sosialy

12-oct-2021

Sosialy

Fanondranana olona mankany Mayotte Niara-tratra ny mpandeha 44 sy ireo atidoha

Sample post image

Olona miisa 46 saika hiondrana handeha an-tsokosoko ho any Mayotte no voasambotry ny zandary, ka ny 44 tamin'ireo dia mpandeha ary ny 2 kosa mpanamory sy mpikarakara iray.

12-oct-2021

Tao amin'ny CR Bemaneviky Ouest no nahatrarana izy ireo, tao koa ny sasany efa tany anaty ranomasina no voasambotra. Ny zandarimariam-pirenena no nanao ny fisamborana vokatry ny fanomezam-baovao avy amin'ny tsara sitrapo. Tamin'ireo olona voasambotra ireo dia zaza tsy ampy taona 12, ka ny 2 mbola minono. Nisy vola 13 tapitrisa ariary. Nisy mpikarakara roa hafa no nanaovan'ny zandary velam-pandrika , ka tonga nitondra vola 13.000.000 Ar saika omena ny zandary handravana ny raharaha. Nosamborina avy hatrany izy roa ireo, iray vehivavy , iray lehilahy. Ny fanondranana olona antsokosoko, ny kolikoly, ny fandehanana mivoaka sisin-tany tsy ara-dalana no anisany hiampangana azy ireto. Asa efa fanaon’ izy ity fanondranana olona ity. Hita tamin'ilay botry nitondra olona ireo “moteurs” telo, ary nahitana lasantsy 1080 litatra ihany koa. Efa nisy ny fisafoana natao talohan'izao fa saingy tafitsoaka izy ireo , fa ny 9 octobre teo no niverina indray ary saika hiainga ny 10 oktobra ka izao tratra izao. Mitohy ny fanadihadiana ary hatolotra ny fampanaovana izany raha vao vita, araka ny nampitainan'ny Lieutnant Colonel TOVOSON Andriantsiriniaina Jules, commandant groupement de la gendarmerie nationale DIANA.


Tsy vao izao ity resaka fanondranana sy fiondranana an-tsokosoko any Mayotte ity. Vao ny alin’ny 18 septambra 2021 teo no nahatrarana olona miisa 120 nandeha tamin’ireny sambokely Kwassas ireny miisa 6 tratra tany Mayotte, ka ny 5 tamin’ireo olona no mpampita ireo mpitsoa-ponenana. Ny 53 tamin’ireo no dia teratany Malagasy, izay naverina taty Madagasikara tamin’ny alalan’ny fiaramanidina, ary narahina polisy mpiambina ny sisin-tany (PAF) avy any Mayotte ny famerenana azy ireo teto Madagasikara. Io indray fa misy andiany hafa tratra, izay mazava fa tena efa mandeha be ity fifindra-monina an-tsokosoko ity.
Toky R sy Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap