airtel

Sosialy

11-oct-2021

Sosialy

Farafangana Trano 1080 may kila , olona 1 maty

Sample post image

Olona iray no namoy ny ainy, trano 1080 no may sy rava vokatry ny haitrano tao amin’ny Fokontany Mahafasa Atsimo sy Mahafasa Andrefana, Kaominina Farafangana ny alin’ny zoma hifoha sabotsy.

11-oct-2021

 Nanomboka tamin’ny 10ora alina no nirehitra ny afo ary tsy nitsahatra raha tsy tamin’ny 3ora maraina. Tsy mbola fantatra mazava ny niandohan’ny afo. Nihazo any an-toerana ny tompon’andraikitra ara-panjakana, toy ny Minisitry ny mponina hijery ny zava-misy sy ny fomba hoenti-manampy ireo olona traboina. Any an-toerana ihany koa ny miaramilan’ny 5BLIG manao ny tomban'ny fahavoazana ary mametraka avy hatrany ireo tranolay hipetrahan'ireo traboina. Toy izany ihany koa ihany koa ny ao amin'ny 2UPC hanatevina ireo ao an-toerana amin'ny fanampiana sy fiarovana ny fananan’ny mponina amin'izay mety ho fanararaotana. Ankoatra io, nisehoana haintrano ihany koa tany Sambava centre, kaominina ambonivohitra Sambava omaly antoandro. Tsy manana fiara mpamonjy voina ny kaominina fa ny fokonolona no nifanome tanana namonjy tamin'ny fakana rano teny an-dranomasina namonoana ny afo, nandrodana ny trano teo an'ila tsy hihitaran'ny afo amin'ny trano manodidina, namoaka ny entana izay afaka novonjena. Ny mpitandro ny filaminana nanara-maso ny entana amin'ny mpanararaotra isan-karazany. Matetika no ahenoana hain-trano mahatsiravina any amin’ireny faritra mbola mirona kokoa amin’ny fanamboarana trano hazo na akora mora mirehitra ireny. Mila dinihina akaiky ny fomba ahafahana miaro amin’ny haintrano, toy ny firosoana tsikelikely amin’ny trano biriky na akora hafa tsy mora mirehitra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap
22-avril-2024

Trano fivoahana iray na gabone, hoy isika, izany hoe WC eny Ambodimita no

Card image cap
22-avril-2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Card image cap