teo teny amin’iny boriboritany fahatelo sy ny manodidina iny. Tsy laitra indray ny fahatapahan’ny herinaratra ary amin’ilay tena manimba fitaovana maro. Tsy ny resaka herinaratra ihany anefa fa teo ihany koa ny resaka rano, raha ny fitarainan’ireo mpanjifa hatrany, fa dia nanao ny nataony indray aloha izany tamin’iny ny JIRAMA. An-taonany maro no efa naha maro koa ny vahaolana naroso mikasika ity tontolon’ny angovo eto Madagasikara ity saingy io iaraha-mahita hatramin’izao io moa ny fivoarany. Izay minisitra rehetra nandalo sy tekinisianina maro toa samy efa niaiky ihany fa tsy ampy intsony ny vaikan’izany mbola voatahiry ao amin’ny orinasa Jiro sy rano Malagasy kanefa dia mampametra-panontaniana hoe inona izany no tsy hahafahana mamaha tanteraka ity olana ity hatramin’izao ?
J. Mirija
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.