airtel

Sosialy

11-oct-2021

Sosialy

Faritra Amoron’Imania Misedra olana goavana amin’ny famatsian-drano

Sample post image

Sarobidy sy manan-danja ho anay eto amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitondra ifotony,

11-oct-2021

 hoy ny minisitra, Baomiavotse Vahinala Raharinirina, omaly. Noho izay antony izay no nihaonako tamin’ireo ben’ny tanàna amin’ny distrika miisa 4 anatin’ny faritra Amoron’i Mania, hoy izy. Ankehitriny ny faritra Amoron’i Mania dia misedra olana goavana amin’ny famatsian-drano vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana tafahoatra. Manafatra rano avy amin’ny faritra hafa izy ireo. Ny vahaolana lavitra ezaka manoloana izany olan’ny rano izany dia ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fambolen-kazo. Mandrisika ireo ben’ny tanàna araka izany mba hanentana ny vahoaka isaky ny kaominina iadidian’izy ireo amin’izany fiarovana ny tontolo iainana izany. Ho an’ny OMC kosa dia mila jerena manokana ny momba ny doro tanety izay tena mahazo vahana ao Amoron’i Mania. Fiaraha-mientana sy fampiharana ny « Campagne Tolérance Zéro » izay efa nahitana vokatra no takian’izany ady amin’ny doro tanety izany, hoy hatrany ity minisitra ity.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap
16-avril-2024

Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.

Card image cap
16-avril-2024

Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano

Card image cap