tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Sosialy

Faritra Analamanga 10 isan’andro ny vehivavy maty eo am-piterahana

Mahatratra 10 isan’andro ireo vehivavy maty eo am-piterahana eto Analamanga ka ny 03 amin’ireo dia mbola tsy ampy taona avokoa.

06-mars-2023

Sample post image

Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Manitra Rakotoarivony, talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eto Analamanga dia vokatry ny tsy fanatonana tobim-pitsaboana amin’ny ankapobeny no mahatonga izany. In-dimy monja anefa raha araka ny fanazavany no manatona tobim-pitsaboana ny vehivavy mitondra vohoka iray dia teraka soa aman-tsara. Zavatra maro loha no jerena ao anatin’izany raha araka ny fanazavany hatrany toy ny fahasalaman’ilay Reny sy ilay zaza ao am-bohoka. Ny fipetrak’ity farany sao mitsivalana…. ka hiomanana mialoha amin’ny fikarakarana ….Na izany aza anefa dia fantatra fa mbola miteraka amin’ny Renin-jaza ny 27%-n’ny vehivavy mitondra vohoka. Ekena hoy dokotera Manitra fa manana ny fanomezam-pahasoavana hananany ny Renin-jaza saingy mbola hafa ihany ny manatona tobim-pitsaboana misy dokotera sy mpampivelona. Lova nolovainy tamin’ny fianakaviany mantsy ny an’ny Renin-jaza hoy hatrany izy nanampy fanazavana raha zavatra nianarany manokana kosa ny fampiterahana ho an’ny mpampivelona sy ny ekipany. Tsiahivina moa fa tovovavy kely iray vao 18 taona no maty teo am-piterahana andro maromaro lasa izay teto an-drenivohitra vokatry ny fiterahana tamin’ny Renin-jaza. Noho ny ra be loatra very taminy no voalaza fa antony nahatonga izany.
Pati
Legende : Saro-pady loatra ny fiterahana ka tsy misy tsara ohatra ny eny amin’ny hopitaly ihany (Sary fanehoana))
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Andavanandron’Antananarivo Jiro sy rano tsy tomombana, fifamoivoizana mitohana
08-juin-2023

Ny jiro sy rano, ny herinaratra sy ny rano moa izany no marimarina kokoa, efa tsy tomombana hatramin’izao,

Card image cap
Ambovombe Androy Maro ireo vehivavy tsy an’asa iharan’ny herisetra
08-juin-2023

Mbola marobe ireo vehivavy tsy an’asa ao Ambovombe Androy amin’izao.

Card image cap
Ady amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona
07-juin-2023

Hamory ireo tompon’andraikitra isan-tokony ny mediatiora

Card image cap
Andranopasy - Manja Zazakely roa maty nihinana trondro Fano
07-juin-2023

Zazakely roa vao 17 volana sy 6 volana no indray namoy ny ainy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andranopasy, distrikan’i Manja,

Voir plus