airtel

Sosialy

09-janv-2023

Sosialy

Faritra atsimon’i Madagasikara Olona 2,2 tapitrisa iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo

Sample post image

Mahatratra 2,23 tapitrisa ireo olona ao anatny olan’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika na “insécurité alimentaire aiguë élevée » na “IPC Phase 3” any Atsimon’ny Nosy,

09-janv-2023

araka ny tatitry ny Firenena Mikambana na ny ONU. Any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo-Atsinanan’I Madagasikara no ahitana izany, manome 36% amin’ny isan’ny mponina ao anatin’ireo distrika 21 nanaovana fanadihadiana. Na izany aza, hatreto, mbola tsy misy distrika voasokajy ho ao anatin’ilay antsoina hoe “en situation de catastrophe” na “IPC phase 5” kanefa efa tena henjana ny zava-misy. Mahatratra 250 000 eo manome 4% kosa no efa ao anatin’ny hamehana sy atahorana mafy “en situation d’urgence” na “IPC Phase 4”. Atahorana mafy ny hitomboan’ny fahavoazana ary ahiana hiitatra sy hanatratra ny isa farany ambony na « pic » hatramin’ny volana martsa amin’ity taona 2023 ity noho ny vanim-potoana maintso ahitra, tena manahirana ny miatrika azy. Ny distrikan’Ikongo sy Bekily no voasokajy ho isan’ny tena lasibatra indrindra satria mahatratra ny 15% amin’ny mponina ao aminy no efa ao anatin’ilay IPC phase 4. Arahin’I Befotaka sy Ampanihy izay samy 10% avy eo amin’ny mponina no ao anatin’izany. Any amin’ny Amboasary Atsimo, Ambovombe Androy, Ampanihy, Bekily ho an’ny Faritra Atsimo, ary Befotaka kosa ho an’ny Atsimo Andrefana dia ny 50 hatramin’ny 65% amin’ny mponina no ao anatin’ny IPC Phase 3. Isan’ny fanatsarana heverina fa hanatsarana ny fiainan’ny olona ny fihatsaran’ny ara-toetr’andro, raha ny hevitr’ireo manam-pahaizan’ny ONU. Nisy orana betsaka tato ho ato, ka heverina fa ahafahana mahazo vokatra tsara ara-pambolena. Heverina fa hitohy ny fihatsarana hatrany amin’ny aprily-jolay 2023 noho ny fahatongavan’ny taom-piotazana lehibe. Na izany aza, manahirana ny zava-misy satria tsy arakaraka ny seraseran’ny Fanjakana. Vao tsy fa ny faramparan’ny taona 2022 no nisy antontan’isa navoakan’ny iraisam-pirenena nilaza fa manodidina ny 8,8 tapitrisa ny Malagasy ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika. Io mivoaka io ny antontan’isa any Atsimo. Ny Filoham-pirenena sy ny ekipany anefa mirehareha fa dia izy, hono, no tompondakan’ny fanjarian-tsakafo aty Afrika noho ny ezaka sy ny programan’asa entiny. Tena mampiteny mampanongo tena tsy andaniny ny maheno sy mahita ny antontan’isa maneho ny fisian’ny vahoaka an-tapitrisany maro fadiranovana ara-tsakafo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2024

Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana

Card image cap
17-avril-2024

Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.

Card image cap
17-avril-2024

7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,

Card image cap
17-avril-2024

Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra

Card image cap