Fizarana fitaovana enti-manamora ny fivezivezena, tohana ara-tsakafo ho an'ireo olona manana fahasembanana, fanolorana tohana ara-bola ireo fikambanam-behivavy, zokiolona, lehilahy mandray andraikitra ary tanora.Fianakaviana marefo ara-pivelomana miisa 1. 000 ihany koa no nisitraka tolotra filana andavan'andro toy ny vary, siramamy…. Fanampiana natolotry ny Ministra ny mponina. Narahina fizahana ara-pahasalamana maimaim-poana izany rehetra izany niarahana tamin’ny ONG Direct’Aid. Mba hananan'ireo tokantrano antoka amin'ny fidiram-bola sy fanampiana ny tokantrano, dia notolorana “Kit de dignité” koa ireo izay niharan'ny herisetra, ka ho ampidirina anatin'ny lisitra mpisitraka ny Asa Avotra Mirindra.Namaranana ny fotoana ny fizarana nofon-kena mitam-pihavanana tamin'ireo mponina tao Soavinandriana.
Nangonin’i Pati
Legende : Tsy fanampiana ihany no andrasan’ireo olona manana fahasembanana fa fampiharana ny fanajana ny zony mihitsy
Betsaka ireo olona mihevitra fa rehefa manam-bola na manana diplaomabe hahafahana
Vary lo 124 taonina no nopotehina ny alatsinainy teo tao Toamasina, rehefa voatilin'ny laboratoara fa tsy azo hohanina intsony.
7,4% ny fiakaran’ny tondro momba ny vidin-javatra teo anelanelan’ny febroary 2023 hatramin’ny febroary 2024,
Nivoaka ofisialy omaly 16 aprily ny fanamafisan’ny Minisitry ny toekarena sy fitantanam-bola sy ny Minisiteran’ny asa ny didim-panjakana 2024-794 tamin’ny 02 Aprily 2024 mamaritra
Tsy mbola voavaha ihany fa vao mainka miharatsy ny olan’ny rano ao anatin’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano.
Miaina anaty tahotra sy tebiteby ny ankamaroan’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Atsimondrano