airtel

Sosialy

29-juil-2021

Sosialy

Faritra Itasy Nahazo jiro cobra 60 isa

Sample post image

Nanatanteraka fidinana ifotony tany Ambatomirahavavy ny Loholon’i Madagasikara Ramatoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa omaly Alarobia 08 jolay 2021,

29-juil-2021

 hoy ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny Antenimierandoholona. Amin’ny maha mpiahy ny Faritra Itasy azy dia tsapany fa tsy ampy tokoa ny jiro entina hanazavàna ny tanàna amin’ireo Faritra ireo, izay antoka iray mampisy ny fandriampahalemana. Nanolotra “Eclairage publique Cobra “ miisa 60 entina hanazavana ny tanàna: 10ho an’ Ambatomirahavavy, 10 ho an’Imeritsiatosika, 20 ho an’i Miarinarivo, 20 ho an’Arivonimamo. Nanentana ireo mponina ao amin’ny Faritra ny Loholon’i Madadagasikara Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa amin’ny maha zava-dehibe ny fikojakojana sy fiambenana ity fanana iombonana ity mba ho lasa fanana maharitra sy ho lovan’ny taranaka any aoriana . Amin’ny maha mpiahy ny faritra Itasy azy ihany koa dia nandray ireo fanampiana avy amin’ny Orinasa AR BIOCHEM fanafody sy fitaovana entina hiadiana amin’ny Covid 19 izay natolotra ny Faritra Itasy ny tenany izay niaraka tamin’ny Governoran’ ny Faritra Maherizo Solofonirina Andriamanana sy ireo Ben’ny tanàna avy any amin’ny Faritra.
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap