airtel

Sosialy

11-mai-2022

Sosialy

Faritr’Isoraka Mitombo isa ireo 4’mis mipetraka amoron-dalana

Sample post image

Mihabetsaka ireo vahoaka sahirana eto amintsika. Tsy vitsy ireo tsy mahaloa hofantrano intsony, antony mampitombo isa ireo 4’mis tsy manan-kialofana mipetraka amin’ny trano sachet plastika eny rehetra eny.

11-mai-2022

Hita hatreny Isoraka izany, toerana manakaiky ny lapam-panjakana Iavoloha, izay tena henatra ho an’ny Fitondram-panjakana tokoa, indrindra fa ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Toy ny tsy misy ministera mikarakara mantsy ireny 4 mis ireny fa toa jerem-potsiny. Toa tsy manara-maso ny tanana ihany koa ny kaominina Antananarivo renivohitra izay tokony handray andraikitra haingana hiaraka amin’ny Ministeran’ny mponina hamindra toerana ireny 4 mis ireny. Raha vantany vao mahazo vahana mantsy izy ireny dia mety hiitatra hatrany Antaninarenina ny trano sachet plastika izay tena haneho mibaribary tanteraka fa lasa 4 mis ny ankamaroan’ny Malagasy noho ny hasarotan’ny fiainana sy ny fihanaky ny fahantrana. Marihina moa fa saika zaza amam-behivavy avokoa ny ankamaroan’ireo mpatory amoron-dalana eny amin’iny faritra Isoraka iny.
(Tahirin-tsary)
Pati
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap