Nambaran’izy ireo tamin’izany fa tsy rariny intsony ny fiakaran’ny vidim-piainana ankehitriny ka anisan’ireny ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro. Mbola niakatra ihany koa ny saran-dalana hoy izy ireo, nanomboka omaly, hantsana lalina izay azo tsapain-tanana fa tena handetehana ny fiainam-bahoaka ka tokony ho tonga saina ilay fanjakana. Tsy mahavaha olana io governemanta mijoro io hoy hatrany izy ireo ary tsy mendrika ny hitantana intsony. Nomarihin’izy ireo ombieny ombieny fa mijaly ny vahoaka Malagasy. Izay manana ihany sisa no manana eto amintsika fa ireo sahirana milentika hatrany ny fari-piainany. Zara raha mahita hanin-kohanina indray mandeha isan’andro sisa vokatry ny hasarotan’ny fiainana ny isan-tokantrano koa hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny fanjakana. Ho an’ireo mpiasa mandoa saran-dalana isan’andro moa dia nomarihin’izy ireo fa ankoatra ny sakafo efa ambany foitra dia hamely ihany koa ny dia an-tongotra noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana ka tsy hahagaga intsony raha betsaka ireo ho lasibatry ny aretina sy mety hamoy ainy tsy fidiny mihitsy.
Pati
Mila tsy ho azo vidiana intsony ny legioma ao Mahajanga ao. Misy mivarotra 7.000 Ariary ny kilaon'ny karaoty,
Mahazo vahana raha araka ny nambaran’i Haingotiana Mamy Bernard ny kolikoly ao amin’ny fonjaben’i Betroka.
Raha tsiahivina, ny « Entreprise de l’année » dia fanasokajina orinasa nokarakarain’ny MEMENTO hampilaharana
Ny 1 may no nanomboka nihatra ny fanondrotan-karama, hoy ny Randrana sendikaly. Nandray ny mpiasam-panjakana ny faran’ny volana may, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Barson Rakotomanga.
Nanomboka omaly 25 janoary hatramin’ny rahampitso io any Dakar Sénégal, ao amin’ny Centre international de Conférence Abdou Diouf (CICAD)
Anisan’ny faritra nitondra faisana vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso ny Faritra Melaky. Ny any Bekopaka no tena lasibatra tamin’izany nahitana tokantrano miisa 10 raha am-polony kosa ireo traboina.