distrikan’Atsimondrano. Mivadika ho menamena avokoa ny lokon’ny rano tovozina rehetra no sady misy fofona, hany ka mahatsiaro ho sahirana ny mponina. Eo an-danin’izay anefa dia tsy maharaka ihany koa ny rano amin’ny paompy izay efa vidiana 200 Ar ny iray bidon. Mbola tsy azo eo noho eo ihany koa izany, raha araka ny fanadihadiana natao. Raha haterina amin’ny hariva mantsy ny bidon iray dia rahampitso maraina izany vao feno noho ny hamaroan’ireo mpilahatra. Raha kely mantsy dia bidon miisa 200 isan’andro eo ho eo no tsy maintsy fenoina. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra araka izany ireo mponina eny Fenoarivo mba hijery akaiky ity olan’ny rano eny an-toerana ity. Tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’ny maintany rahateo isika.
Pati
Legende : Tahaka izao ny filaharan-drano iainan’ny mponina isan’andro !
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,