Tsy vitsy tamin’ireo olona mivelona amin’ny asa mila herinaratra noho izany no voatery nampiato izany mihitsy toy ny asa fanaovam-bolo….Omaly Alahady ohatra ho an’ny tananan’i Fenoarivo manokana dia zara raha nandeha adin’ny roa ny jiro. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany ny orinasa JIRAMA dia nambaran’izy ireo fa vokatry ny f𝒂𝒏𝒐𝒍𝒐𝒂𝒏𝒂 ilay 𝒂𝒏𝒅𝒓𝒊𝒏-𝒋𝒊𝒓𝒐 𝒆𝒐 𝑨𝒎𝒃𝒐𝒅𝒊𝒔𝒂𝒉𝒂 𝑨𝒍𝒂𝒌𝒂𝒎𝒊𝒔𝒚, ao anatin’ilay tetikasa tambazotra arivo no antony. Mbola nitohy omaly alahady ny asa fanatsarana ny tambazotra mpitsinjara herinaratra arivo ka fanoloana andrin-jiro beton eo Ambodisaha Alakamisy no notanterahina tamin’io omaly alahady io. Mbola tsy fantatra kosa anefa izay fotoana mety hiverenan’izany amin’ny laoniny tanteraka.
Pati
Mitombo ireo Renim-pianakaviana mamono sy manary ny zanany eto amintsika.