airtel

Sosialy

12-oct-2021

Sosialy

Fenoarivo “Noterena hivarotra amin’ny karana ny tompon-tany”

Sample post image

Tsy sinema, hoy ny filohan’ny vaomiera misahana ny fitantanana ny fananan-tany sy fanajariana ny tany eo anivon’ny antenimieram-pirenena, ny depiote Naivo Raholdina,

12-oct-2021

 tetsy amin’ny fonenany etsy Ambondrona omaly, ny fikasana hamono ny tenako sy ny fianakaviako. Misaotra manokana ny filoham-pirenena aho nanaraka akaiky io raharaha io sy nanampy ahy, hoy izy. Teo koa ny minisitry ny fitsarana sy ny mpiara-miasa aminy, ny minisitry ny filaminana anatiny, indrindra, ireo tao amin’ny borigady misahana ny heloka bevava. Olona miisa 2 no voatazona vonjimaika any am-ponja ankehitriny. Mbola mandeha ny famotorana. Tsy tia managadra olona aho fa mamoaka aza ataoko ka apetrako amin’ny fahendren’ny fitsarana iny. Nisy ifandraisany amin’ny fiarovako ny fananan-tany ny saika hamonoana ahy. Ilay ady tany eny Fenoarivo, hono, nakako 5 tapitrisa ariary. Ilay olona nitaraina tao amiko hono nakako izany sady nompaiko ho mpisoloky. Tsy mandoa na ariary aza ny mitaraina ao amiko sy ny vaomiera tarihiko fa ny mifanohitra amin’izany aza. Izaho no miantoka ny mpisolovava azy sy ny rehetra raha ilaina izany. Nitomany tao an-tranoko tamin’ny 7 maraina ireto olona ireto. Ramatoa 60 taona latsaka, reniko, hoy izy, no nampidirina am-ponja. Naratra ny foko naheno izany. Tsy mba misy olona hiaro olona voan’ny tsindry hazo lena ve eto? Noterena ireto olona ireto hivarotra io tany io amin’ny Karana ka hiaro azy ireo hatramin’ny farany aho, hoy hatrany ny tenany. Nanamafy kosa ireo olona nilaza ho lasibatr’izao raharaha izao tonga teny an-toerana fa azy ireo ny tany ary tsy nanome vola ity depiote ity.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Taorian’ny fitarainan’ny vahoakan’Andranambo Ambodihady Ambohimanarina anatin’ny Boriborintany

Card image cap
27-mars-2024

Ireo mpivarotra no anisan’ny lohalaharana amin’ny fandotoana ny tsena avy amin’ireo karazana kojakoja hampiasainy sy hamidiny.

Card image cap