airtel

Sosialy

24-mai-2022

Sosialy

Fetin’ny 26 jona ao Alasora Hotsinjovina manokana ireo sahirana

Sample post image

Hitsinjo manokana ireo zokiolona sy fianakaviana sahirana manerana ireo Fokontany 20 misy ao aminy ny kaominina Alasora amin’izao ankatoky ny fetin’ny Asaramanitra 26 iona izao.

24-mai-2022

An’arivony ireo hahazo tombony amin’izany izay hozaraina fotsim-bary … hahafahana miatrika amim-pitoniana sy amim-pilaminana ny fety. Miisa 1.000 ireo zokiolona hojerena izay hihoatra ny 70 taona avokoa. Ho an’ireo ankizy madinika hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE kosa indray dia miisa 2500 ireo hofahanana sakafo atoandro miaraka amin’ny mpandraharaha ny datin’ny 21 jona ho avy izao raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy, hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona. Tsiahivina moa fa hosokafana amin’ny fampisehoana ara-pilazantsara goavambe hatao eny Ankadindratombo ny fankalazana ny fetin’ny 26 Jona ho an’ny kaominina Alasora. Arahin’ireo mpanankato goavambe izay hankafizin’ny tanora izany ary hofaranana amin’ny afomanga.

Pati
Legende : Randriantsoa Jimmy, Ben’ny tanànan’Alasora
 

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap