airtel

Sosialy

07-mars-2024

Fiadidian’ny Repoblika

Mitaraina fa tapaka tambin-karama ny mpiasa an-jatony

Sample post image

Tapaka ny tambin-karama na « indemnité » an’ny mpiasa an-jatony eo anivon’ny

07-mars-2024

Fiadidian’ny Repoblika, raha ny loharanom-baovao avy amin’ny mpiasa. Tsy misy fanazana kanefa ny tambin-karama no tena mba manampy ny mpiasa satria ny karama arakaraka ny « grille indiciaire » an’ny tsirairay. Mpiasam-panjakana raikitra, ary manana laharana « matricule » ara-dalàna anefa ireo, raha ny fanamarihana. Betsaka no mitaraina noho ny olana sedrainy toy ny tsy fahafahana mandoa volan’ny banky satria betsaka no nanao « prêt bancaire ». Tsy misy fanazavana hatreto hoe : rahoviana no hiverina io, dia tapaka tsotr’izao, hoy hatrany ny mpiasa. Vao nanomboka ny taom-piasana vaovao dia mitranga ny tahaka izao. Teo ny fanalana ireo Tale sasany teo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika izay mety efa fanao ihany, ka tapaka mazava ho azy ny tombotsoa mifandraika amin’ny toerana, fa amin’ity tranga ity dia mpiasa manodidina ny 150 no iharan’io fanapahana tambin-karama tsy mazava io, raha ny loharanom-baovao avy amin’ny mpiasa ihany. Ny fieritreritry ny mpiasa dia ny hoe : mikasa ny hampiditra ireo olon’ ny Arena nanohana azy tamin’ny fifidianana ve ny mpitondra ka ny tambin-karaman’ny mpiasa raikitra efa hatrizay no hatao sorona ? Miantso sy manaitra amin’ny tokony hijerena io olan’izy ireo io moa ireo mpiasa eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika izay mahatsapa ho tratry ny tsindrihazolena ihany kanefa toa tsy afa-mikofoka firy. Stratejika be anefa izany asa ao amin’ny Fiadidian’ny Repoblika izany ka asa hoe : zavatra mandalo ihany ity mitranga ity sa ho fanapahan-kevitra raikitra ? Andrasana izay mety ho fanazavana avy amin’ny mpitantana ! Endrika iray mety maneho ity tranga ity fa sahirana ara-bola ny Fanjakana. Hatramin’izao ihany koa mantsy dia tsy mety tafapetraka ireo sekretariam-panjakana miisa 11 izay nambara fa mpiasa 20 ka hatramin’ny 25 eo no handrafitra ny departemanta tsirairay, izany hoe : maherin’ny 200 ny olona ilaina amin’io, izay tena volabe tsy toko tsy forohana no ilaina amin’izany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tanora loatra ny ankizy eto amintsika dia efa miroso amin’ny fanaovana firaisana ara-nofo.

Card image cap