airtel

Sosialy

18-mai-2022

Sosialy

Fiahiana ny ankizy sy ny sembana Nifampidinika ireo masoivoho sy ny minisitry ny mponina

Sample post image

Miroso hatrany amin’ny fanatsarana ny fiahiana ara-tsosialin’ireo ankizy sy olona manana fahasembanana ny Ministeran’ny Mponina.

18-mai-2022

Nitafatafa tamin'ireo Masoivoho vahiny miasa eto Madagasikara sy ireo mpiantsehatra amin'ny Fiahiana ara-tsosialy ho an'ny ankizy ny Minisitry ny mponina Soafilira Princia omaly, notronon'ny Minisitry ny raharaham-bahiny Randriamandrato Richard. Nanamafy ireo Minisitra iraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa laharam-pahamehana ho an'ny fitondram-panjakana ny fiahiana ireo ankizy izay ho avin'ny firenena. Tsiahivina moa fa efa ao anatin’ny fanatanterahana ilay tetikasa Zara Mira ny ministeran’ny mponina ankehitriny. Tokantrano miisa 1643 ao amin'ny kaominina ambanivohitra Tataho any amin’ny distrikan’i Manakara sy tokantrano miisa 7000 ao Ifotaka any Amboasary no misitraka izany ka ireo ankizy madinika sy ny vehivavy no ezahina hahazo tombontsoa voalohany amin’izany. Ankoatra ny fanampiana tahaka izao moa dia anisan’ny hangatahina amin’ity ministera ity ihany koa ny fijerena ireo sahirana sy mpatory an-dalana eto an-drenivohitra izay tena tsy mitsaha-mitombo.
Pati
Legende : Ny Minisitry ny mponina Soafilira Princia
 

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap
23-avril-2024

Ho tapaka rano ny talata 23 sy Alarobia 24 aprily amin'ny 8 ora alina ka

Card image cap
23-avril-2024

Mamita iraka eto Madagasikara hatramin’ny 3 mey ho avy izao ny delegasionin’ny Tahirimbola Iraiasam-pirenena

Card image cap
23-avril-2024

Tsy mety amin’ireo tompona magazay sy mponina manodidina an’Analakely ny fandaminana

Card image cap
23-avril-2024

Sahirana ireo mpitsabo, manoloana ireo trangan’aretina misy manoloana ireo

Card image cap