airtel

Sosialy

25-avril-2024

Sosialy

Fiahiana ny vehivavy sy ny ankizy Hifanome tànana ny UNICEF sy ny Vondrona Axian

Sample post image

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

25-avril-2024

sy Atsimo Rtoa Etleva Kadilli, hatramin’ny omaly Alarobia 24 Aprily. Taorian’ny diany tany amin’iny distrikan’Ambovombe iny dia nanatanteraka fivoriambe niarahana tamin’ny vondrona Axian indray ny tenany roa andro izao, teny amin’ny Galaxy Andraharo. Nivoitra nandritra izany ny fitadiavana mpiara-miombon’antoka matanjaka hahafahana manatratra ny tanjona hatramin’ny taona 2030 dia ny hisian’ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara indrindra fa ny ady hatao amin’ireo karazan’olana mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy. Maro ireo karazana paikady nivoaka nandritra izany. Lohalaharana amin’ireny ny fitadiavana hevitra hiarovana ny tovovavy kely tsy hanambady aloha loatra indrindra ny any amin’ny faritra Atsimo sy ny mba hananan’izy ireny fahaleovantena ara-bola hahafahany mivelona. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fampitomboana ny zaza miditra an-tsekoly sy ny fisitrahany ireo karazana zo tokony ho azony. Nanamafy ny UNICEF fa efa tafiditra ao anatin’ny paikadin’izy ireo izany ary hohamafisiny manerana an’i Afrika saingy matoky ny vondrona Axian kosa izy ireo mba hifanome tanana aminy. Taorian’ity fivoriambe ity moa dia fantatra fa nitety ireo sekoly miisa 42 eto Antananarivo miara-miasa amin’ny Vondrona Axian ny UNICEF hahafahana mampifandray ny roa tonta sy nifanakalozana hevitra tamin’ireo mpianatra.
Pati
Legende : Ireo delegasiona nikaon-doha avy amin’ny UNICEF sy ny vondrona Axian !
 

Dans la même rubrique