na “Conférence interafricaine de la prévoyance sociale”, Lira Mejatiana Ravalison, hany ka tsy marisika izy ireo hiditra amin’izay resaka fiahiana sosialy izay. Dieny mbola mpianatra sy eny amin’ny oniversite ny ankizy, hoy izy, dia tsara ampahalalana ny mikasika ny atao hoe fiahiana sosialy satria tsy ampy ilay fahalalana. Anjaran’ny CNaPS ny manao ny fanavaozana tokony atao. Mbola marefo ny sosialy eto Madagasikara. Ny fitiavana sy fandalana ny fihavanana no fototra nanorenana fiahiana sosialy, raha ny ara-tantara. Isan’ny endrik’izany ny “Atero ka alao” sy Valintanana. Ny 80%n’ny mponina maneran-tany no mbola tsy misitraka fiahiana ara-tsosialy. Ho an’I Madagasikara manokana dia ireo mpiasa latsaky ny 40 taona no tena hita ho saika mbola tsy liana amin’izay resaka sosialy izay, hoy hatrany ny tatitra nataony sy fanazavany.
J. Mirija
Legende: Lira Mejatiana Ravalison, nitatitra ny voka-pikarohany
Ireo nitazona 250.000 Ariary indray no voasazy»
Rehefa navoakan’ny filankevitry ny minisitra ny hoe 238.000 Ariary aloha ny karama farany ambany dia tadidio fa tsy mbola didy fampiharana iny fa fitanana an-tsoratra, hoy ny Randrana sendikaly.
Fikambanam-behivavy niompana tamin’ny fampiroboroboana ny asa tanana sy ny sosialy ary ny fambolena ny ADFM teny am-piandohana na ny Association pour les développement des femmes a Madagascar.