hoy ny mpanakanto sady mpahaifiarahamonina, Dama na Zafimahaleo Rasolofondraosolo, izay teto amin’ny gazetintsika tamin’ny taona 2016. Nitotongana hatrany ny fiainan-dRamalagasy. Miiba -7,1% ankehitriny ny harin-karem-pirenena. Avo roa heny tao anatin’ny fotoana fohy ny sondrom-bidim-piainana, raha kely indrindra, hoy ireo sendikan’ny mpiasa. Feno trosa tsy voahefa amina miliara ariary ireo sampan-draharaham-panjakana maro. Manginy fotsiny ny trosan’ny firenena malagasy amin’ireo mpamatsy vola iraisampirenena sy firenena samihafa lazaina fa mpiara-miombon’antoka ihany koa. Mbola hisy tany azo hipetrahana tongotra malagasy ve eto afaka 10 taona, hoy ilay mpanao politika iray izay nialohan’ny nodiany any amin’ny mandrakizay? Firifiry tokoa moa ireo aditany hifanaovana Malagasy amina teratany vahiny toy ny sinoa sy karana amin’izao fotoana izao kanefa na dia raharaham-pitsarana mbola mandeha eny amin’ny tribonaly sy efa namoahana didy fampiatoana fananganana fotodrafitrasa aza dia mbola hanohizan’ireo teratany vahiny ny fanorenany ihany? Firifiry ihany koa izay tany na trano lasan’ny vahiny teto izay? Mampanahy!
J. Mirija
Miverina indray ny fitakiana vatsim-pianarana eny amin’ny anjerimanontolo. Raikitra ny grevy teny amin’ny Sekoly ambony politeknika Vontovorona omaly. Niditra tamin’ny fanakanan-dàlana sy fandorana kodiarana.
Nampaneno lakolosy ny depioten’i Morondava Christophe Tsiliva Didiot omaly nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka sy ny governemanta omaly,
Nankatoavin’ny Banky Iraisam-pirenena ny fandaharan’asa FSRP (Programme de résilience des systèmes alimentaires pour l'Afrique de l’Est et australe) misy famatsiam-bola mahatratra 2,3miliara dolara.