miha mivaralila ny fiainam-bahoaka. Raha tokony ho fandraisana andraikitra sy fitadiavana vahaolana maharitra no ataon’ny mpitondra, dia mbola manjaka ny fitantanana tsy matotra, kitsapatsapa, laharam-pahamehana sadasada raha tsy hilaza afatsy ny teleferika, lac Iarivo,… Politika feno fampanantenana poakaty, drafi-pitantanana sy programa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy, ary fanapahan-kevitra tsy voahevitra tsara no hita amin’ny sehatra maro. Manginy fotsiny ny mpitondra mamoaka fiteny sy firesaka hafahafa toa mampieritreritra ihany hoe : tena natao am-piasainana sa tena tsy fahazakana tazom-pahefana na iniana atao mihitsy hanodinana saim-bahoaka na handranitana vahoaka ? Taiza teto ambonin’ny tany ohatra no nisy olona ambony sahy nilaza taratry ny fananan-karena ny toham-boivoy ? Toe-draharaha politika efa mangotraka, mpitondra efa tsy mahomby, fa mbola misy sahy mihantsy hoe : tsy misy vahoaka maharesy basy. Ny tena loza dia zary lasa tsy maha rototra ny olom-pirenena intsony ireny, fa toa miha miara-mivaona. Mitombo ny fahalemen’ny vahoaka, mitombo ny adalan’ny mpitondra. Rehefa miaina amin’ny fiainana tsy miraharaha sy tsy mandray andraikitra amin’ny fireneny ny olona, dia mpitondra sahala amin’izany ihany koa no manao izay danin’ny kibony eo. Raha ny lalàna dia tokony hampihatra fifandanjana sy fangaraharana amin’ny fitantanana firenena, saingy toa mivadika ho fitaovana anjakan’ny tombontsoa manokana ireo andrim-panjakana hany ka na ny mpanatanteraka na ny fahefana mpanao lalàna izay tokony ho mpanara-maso azy dia lasa mpitsikombakomba. Andaniny, lasa mahazatra ny vahoaka ny mahita kolikoly, fanararaotam-pahefana, fangoronana harem-pirenena, nefa toa tsy misy sahy manohitra intsony. Mandritra izany, mitombo ihany koa ny tranga sy toe-tsaina maneho fahantrana sy fahapotehana ara-piarahamonina: firongatry ny fidorohana zava-mahadomelina, fahazarana miaina anaty tsizarizary, ny herisetra, vono olona mahatsiravina, fanolanana, mpianaka mifamototra,… Raha mitohy izao toe-draharaha izao, dia tsy hisy fiovana fa vao mainka hihamafy ny fahapotehana. Ny vahaolana dia miainga amin’ny fanabeazana, fifohazan’ny vahoaka, fanovana toe-tsaina, fitakiana fitantanana mahomby avy amin’ny mpitondra,…
Toky R
Raikitra ny tsenabe Fivoarana andiany faharoa, karakarain’ny Fikambanana Fivoarana,